airtel

Sport

07-août-2024

Lalao olaimpika

Mafana ny fifaninana ara-medaly eo amin’i Etazonia sy Chine

Sample post image

Mitohy ny fifaninanana tsy mitsahatra amin’ny fandrombahana medaly eo amin'ny Etazonia sy Chine.

07-août-2024

Niverina eo amin'ny laharana voalohany ny Amerikanina amin'ny medaly volamena 22 sy volafotsy 30 ary alimo ka manome 81 ny totaliny, saingy ny volamena no tena mamaritra ny filaharana. Faharoa i Chine izay 22 ihany koa ny medaly volamena, 20 medaly volafotsy, ary 15 alimo, manome 57 ny totaliny. Ny Aostralianina kosa no lasa fahatelo izay manana medaly volamena 14, arahin’i Frantsa mpampiantrano 13, Royaume-Uni 12, Korea Atsimo 11, Japana 11, Italia 9, Pays-Bas 8 ary Allemagne 7 no mamarana ny folo voalohany. 74 ny firenena nahazo medaly farafahakeliny tamin'ny Paris, 47 no nahazo medaly volamena. Ho an’i Afrika, dia medaly 13 teo aloha hatramin’ny omaly tolakandro, ka nahazo volamena iray avy i Afrika Atsimo, Kenya, Algerie, ary Ouganda. Ny Vondrona Eoropeanina kosa raha atambatra dia 176 medaly hatry ny omaly. Raha ny mikasika an’i Madagasikara, dia tsiahivina hatrany fa anio no hiaka-tsehatra ireo atleta roa farany dia i Rosinah Randafiarison eo amin’ny fibatana fonjam-by sy Sidonie Fiadanantsoa eo amin’ny hazakazaka 100 m misy fefy. Ho an’i Rosinah manokana dia ny sokajy -45kg no nanavanana azy sy nibatany fandresena maro taty Afrika, saingy tsy misy an’io sokajin-danja io any amin’ny lalao olaimpika fa ny -49kg ka ho henjakenjana ny miandry azy. Tsy mora ihany koa ny miandry an’i Sidonie ho an’ny hazakazaka 100m. Ny irariana anefa dia afaka ny hanoratra tantara eo amin’ny amin’ity lalao olaimpika any Paris ity ireto solontena Malagasy roa farany tamin’ireo mpandray anjara 7 nisolo tena an’i Madagasikara ireto.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap