airtel

Sport

09-août-2024

Lalao Olimpika 2024

Nikatona ny pejy ho an’ny Malagasy

Sample post image

Zay koa no vita ny amin'i Rosinah Resy ary laharana fahafolo amin'ny 12 nandray

09-août-2024

anjara i Rosinah Randafiarison ny alarobia teo. Resy nefa na izany aza mbola mendri-piderana izy satria nanao zava-bita tsara indrindra sady mbola tsara indrindra aty Afrika ihany koa. Nahavita 80 kg iay teo amin'ny arraché ary 100 kg teo amin'ny épaulé jeté. Ireo izany no manome ny totaly olimpika 180 kg. Tena tsara izany saingy i Rosinah anie dia voatery niakatra sokajy 49 kg satria tsy nisy ilay 45 kg nahatonga azy ho tompondaka lefitra eran-tany. Raha tsorina izany dia tokony mba jerena manokana i Rosinah Randafiarison sy Holy Antsa Rabejaona noho izy ireo nanoratra ny zava-bitany tsara indrindra eto Madagasikara ary mbola Afrikanina koa aza eo amin'ny fibatana fonjamby. Tsy mitovy amin'ireo dimy izy ireo ary manatombo kely aza i Sidonie Fiadanantsoa izay nihazakazaka fanindroany na dia hoe fanavotana aza. Izay aloha izany no vita fa apetraka amin'ny fanjakana ny tohiny raha mieritreritra haka medaly any Los Angeles amin'ny 2028. Ny tsara faka tahaka ka na ny Frantsay heverina ho lafatra aza dia mbola tany Etazonia no nanoman-tena i Léon Marchand sy Teddy Riner izay andrarezina ho azy ireo. Izay no lesona azo tsoahina. Ny hany fantatra hatreto dia nanao famaranana ny Frantsay teo amin'ny basikety 3x3 nefa dia mbola nisy tamin'ireo mpilalao ireo no efa resin'i Deda Randrianarivelo sy ireo mpilalaony tany Serbia. Raha mba nanohy kely izany isika mety mba tonga hatrany amin'ny ankatoky ny famaranana. Tena marina.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap