airtel

Sport

03-sept-2024

Lalao Olimpika

Mahagaga ny tsy maha lany ny tsipy kanetibe

Sample post image

Tena mifono misitery ny tsy maha lany ny tsipy kanetibe ho isan'ireo taranja hifaninana

03-sept-2024

amin'ny lalao olimpika.Ny lalao ataon'ny olona manana fahasembanana aminizao fotoana izao any Paris dia manome vahany Boccia izay mampiasa kanetibe koa.Inona izany no sakana tsy mahatafiditra ny tsipy kanetibe nefa mety telo andro raha be indrindra dia vita ny fifaninana.Tena misy zavatra hafahafa ary mampanotany tena hoe sao dia ny filohan'ny federasiona iraisam-pirenena Claude Azéma ary tena tsy izy.Ity anefa no taranja mety ahazoan'i Madagasikara medaly voalohany.Tokony mba misy firenena maromaro izany manosika ny tsipy kanetibe.Mety tsy dia haon'iteo firenena lehibe toa ny Etazonia sy Sinoa ary Anglisy angamba dia zaran'izy ireo aza tsy misy.Nefa anie ny taranja hafa heverina tsy dia betsaka milalao aza tafiditra toa ny mihanika rindrina, ny Skateboard ary ny BMX. Hafahafa a.
Clément RABARY


 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap