airtel

Sport

10-mai-2024

Lalaon'ny ACNOA

Mandravarava ny Malagasy any Seychelles

Sample post image

Ataon'ny delegasiona malagasy ampihimamba ny Lalaon'ny ACNOA Faritra fahafito

10-mai-2024

izay hivondronan'ny Komity Olimpika eto Afrika. Lalao natokana ho an'ireo atleta latsaky ny 18 taona ary dia tsy nisy dinika fa lasan'ny Malagasy ambongadiny raha izao fandehany izao.Teo amin'ny beach volley no tena nibaribary ny naha mafy ny Malagasy.Teo amin'ny manasa-dalana vehivavy dia nandresy ny Seychelles 2 noho 0 (21/16 ; 21/12) i Safidy Tsimialona sy Aro Randriamaro. Hihaona amin'ny Maorisy izany izy ireo amin'ny famaranana.Teo amin'ny lehilahy indray dia nandresy ny Seychelles 2 noho 0 (21/11 ; 21/12) koa i Brad Andrianjafy sy Alaine Guillet ary hifandona amin'ny Comores amin'ny famaranana. Teo amin'ny basikety 3x3 no tena nibaribary toa vay ankandrina ny elanelana. 21/0 no nanaovan'ny ekipa malagasy na lahy na vavy ny Maorisy.21/1 kosa no nandresen'ny vehivavy malagasy ny Comores raha 18/3 kosa ny an'ny lehilahy raha nihaona tamin''ny Comores ihany.Ny vehivavy izany no tena mandravara satria dia vitany tsy nisoratra koa ny Seychelles tompon-tanana.Ny lehilahy indray dia mbola nandresy ny Seychelles 20/7.Tena tsy miady ary mazava ho an'ny Malagasy ny medaly volamena roa amin'ity taranja ity. Mbola namokatra toy izay koa ny lomano satria efa misy medaly volamena enina sahady.Ny farany teo dia 4x100 lahy vavy miaraka fa talohan'izau dia efa voalohany i Tendry sy Ony teo amin'ny 100 m mitsilany. Nanjakan'ny Malagasy koa ny 50 m brasse ka lasan'i Aina sy Finaritra.Mbola volamena koa anefa teo amin'ny 4x100 m i Baritiana, Tendry, Aina ary Nathanaël.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap