eo amin’ny taranja lomano satria dia vitan’ny tovovavy tao anatin’ny latsaky ny 27 segaondra ny halavirana 50m, sokajy lomano malalaka na “nage libre”, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Isan’ireo nahazo vatsim-pianarana «Solidarity dévelopment program» eo amin’ity taranja ity any Rosia dia ny The Volga Region State University of Physical Culture, Sport and Tourism moa ity mpilomano malagasy ity. 26’’94 no namitany ny 50m nandritry ny Salnikov Cup 2023, tao Saint Petersburg. Tsiahivina fa 27’’35 no namitany izany nandritry ny lalaon’ny nosy natao teto Antananarivo farany teo. Nahazo ny laharana fahatelo kosa izy, na izany aza, nandritr’ity fifaninanana tatsy Rosia ity ary rosianina mirahavavy izay nahavita 25’’63 sy 26’’71 no nahasongona azy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso
10 taona aty aoriana, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra
Nivoaka omaly ny anaran'ireo mpilalao handrafitra n'y Barea hihaona amin'ny Ghana s'y Centrafrique any Maroc