airtel

Sport

29-août-2023

Lomano

Nanao fahagagana i Tendry Rakotobe

Sample post image

Tanora mbola vao erotrerony anefa efa tena mafy i Tendry Rakotobe. Tonga fahatelo teo amin'ny 100m dos mantsy

29-août-2023

izy omaly ary nahazo ny medaly alimo.1.02.60 nanaovany io halavirana io teny amin'ny dobo filomanosana mitafo an'ny CNaPS. Efa nampoizin'ny Federasiona ny lomano ihany io vokatra matoa efa halefana any Israely hiatrika ny fiadiana Izay ho tompondaka eran-tany juniors i Tendry ny 01 septambra izao. Fa andron'ny Tendry omaly satria teo amin'ny 100 m lomano 4 karazana ho an'ny vehivavy dia nibata ny medaly alimo koa ny ekipa malagasy notarihin'i Tendrinavalona Idealy. Mbola io medaly alimo io koa no azon'ny lehilahy malagasy teo amin'ny 100m 4 lomano.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique