airtel

Sport

11-oct-2024

Madagasikara≠Gambie

Ady mafy saingy miandrandra fandresena ny Malagasy

Sample post image

Anio 11 oktobra amin’ny 5 ora hariva ora Malagasy no hiakatra an-kianja any Casablanca Maroc,

11-oct-2024

hiatrika an’i Gambia ny Barean’i Madagasikara. Lalao izay handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena TVM. Andro fahatelo amin’ny fifaninanana hiakarana amin’ny dingana famaranan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika na ny CAN 2025, ary tsy miandry ela fa ny 14 oktobra ihany dia efa hiatrika ny lalao miverina. Ankoatra ireo mpiaro afovoany toa an’i Louis Demoleon, Berajo Razafindrabearimianta sy Thomas Fontaine, dia nampiditra mpilalao vahiny vaovao roa ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe, dia i Davidson Guéguen, izay 1,90 m ny haavony, avy amin’ny Villefranche Saint Beaulieu FC sy i Morgan Jean Pierre mpilalaon’ny US Orléans any Frantsa. Asa tena hijoro sa ho mpanafana toerana fa anjaran’ny mpanazatra moa no mandrindra ny paikady ? Isan’ny manamarika ny Barea ihany koa ny ny fiverenan’i Marco Ilaimaharitra ao anatin’ny ekipam-pirenena ankoatra an’i Clément Couturier izay navelan’ny kliobany tamin’ity. Taorian’ny fitsaharana valo volana noho ny ratra, dia tafaverina ihany koa i Njiva Rakotoarimalala, izay andrin’ny fanafihan’ny Barea hatramin’izay. Maro ihany no manantena ny hahita ireo mpilalao tena nahay niaraka tao anatin’ny Barea U23 teo aloha, El Hadari Heriniaina sy Arnaud Randrianantenaina. Mbola ao amin’ny fanafihana ihany koa ry Loïc Lapoussin, Tendry Randrianarijaona,… Ankilany anefa, efa nisy ny fanambarana mazava nataon’ny mpanazatra tany amin’ny fiandohan’ny fanomanana ny fifanintsanan’ny CAN fa tsy azo eritreretina ny miantso na mampiditra mpilalao tsy misy ekipa sy tsy misy fifaninanana. Hatramin’izao, dia maro ireo mpilalao no tsy nahita ekipa vaovao kanefa voaantso, toa ny mpiandry harato Teva Gardies sy Sonny Laiton, Ibrahim Amada, Marco Ilaimaharitra, El Hadari, Lapoussin. Tsy nanao lalao ofisialy ihany koa i Njiva hatramin’ny volana janoary. Tsy nisy lalao natrehin’ireo mpilalao avy eto an-toerana ihany koa taorian’ny volana jolay nifarananan’ny fifaninanana nasionaly sy ny Amboaran’i Madagasikara. Raha ny momba ireo mpilalao mpila ravinahitra kosa, dia ao anatin’ny fifaninana feno ny ankamaroany. Asa izay ho fandaharan’ny mpanazatra hoenti-miady satria izy no tompon’ny teny farany fa dia miandrandra fandresena avy amin’ny Ekipam-pirenena ny Malagasy taorian’ireo lalao roa efa vita izay tsy nahazoantsika isa afatsy iray. Alefa Barea !
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-nov-2024

Tsy afa-bela ny Barean’i Madagasikara tato anatin’ny fifanintsanan’ny CAN 2025 ! Nandohalika teo anatrehan’i Comores ny ekipam-pirenentsika

Card image cap