airtel

Sport

01-juil-2024

Sport

Marco Ilaimaharitra Mahaliana ny Maccabi Haïfa ao Israely

Sample post image

Mahaliana ny Maccabi Haïfa, klioba divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra ao Israely,

01-juil-2024

ilay irakiraka malagasy, Marco Ilaimaharitra, raha ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo. Efa niparitaka tany amin’ny tambazotran-tserasera mihitsy aza moa ny sarin’ity kintan’ny baolina kitra malagasy, 28 taona, ity misalotra ny fanamian’io ekipa israelianina io. Niparitaka ihany koa ny vaovao fa efa tafafindra ao amin’ity klioba ity i Marco Ilaimaharitra saingy mbola tsy nisy nefa ny fampitam-baovao ofisialy mikasika izany. Tsiahivina fa mpilalaon’ny Sporting Charleroi, klioba divizionina voalohany belza, nandritry ny 7 taona nanomboka ny taona 2017 ity mpilalao malagasy ity farany teo ary tsy nohavaozin’ity klioba ity intsony moa ny fifanarahana niaraka taminy rehefa tapitra tamin’ity volana jona ity. Talohan’izay dia ny divizionina voalohany frantsay, Sochaux-Montbéliard, no nivoarany nandritry ny 3 taona, nanomboka ny taona 2014. Azo lazaina ho nivoatra tao anatina klioba matanjaka sy avo lenta hatrany, noho izany, ity mpilalao malagasy ity tao anatin’ny 10 taona farany ka heverina fa tsy mahagaga raha mbola liana aminy indray ity klioba israelianina izay mitana ny laharana faharoa eo amin’ny fifaninanam-pirenena ao an-toerana na ny Ligat Habursa Leniyarot Erech ity. Etsy ankilan’izay dia mahaliana ny mpitia kitra malagasy ihany koa anefa ankehitriny ny tohin’ny fanapahan-kevitr’i Marco Ilaimaharitra mikasika ny fiverenany hanatevin-daharana indray ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea taorian’ny niparitahan’ny vaovao iraisampirenena fa naka retirety iraisampirenena ny lehilahy. Tsy niantso azy handrafitra ny ekipam-pirenena rahateo moa ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe tao aorian’izay. Isan’ny adihevitra koa nefa tetsy ankilany ny mikasika ny tsy fahafalian’ity irakiraka ity momba izay fitantanana ny ekipam-pirenena izay ary fototry ny savorovoro moa tamin’ireny ny mikasika ny tsy fanefana ireo fankasitrahana na «prime» ho an’ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy. Andrasana, na izany aza ny tohiny ary irariana ny hiverenan’ity mpilalao ity indray ao amin’ny ekipam-pirenena. Mirary soa azy koa anefa, etsy andanin’izay, ny amin’ny mba hahombiazany lavitra noho ny teo aloha amin’izao tohin’ny lalany izao.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap