airtel

Sport

26-août-2024

Masters de pétanque_Ekipa Malagasy

Mila miady mafy raha te ho tafita amin’ny « Final Four »

Sample post image

Ratsiratsy ny vokatra ho an’i Madagasikara tao anatin’ny fifaninanana Masters de Pétanque de Nevers

26-août-2024

ny faran’ny herinandro teo. Lavon’ny ekipan’i Christian Andriantseheno na Racle 7-13 ny solontenantsika nahitana an’i Herilantotsoa Razafimahatratra, Haja Andriamahazo Rafanomezantsoa, Jean-Michel Andrianjaka, ary Faralahy Ramanantiaray teo amin’ny dingana faharoa. Vokany, voatery mitady vokatra faran’izay tsara na « exploit » ao anatin’ny dingana manaraka hatao any Romans-sur-Isère rahampitso 27 sy ny 28 aogositra ny ekipa Malagasy raha te ho tafita amin’ny « Final Four » tombanana ho amin’io volana septambra ho avy io. Taorian’ny dingana farany teo, dia any amin’ny laharana faha-4 vonjimaika ny ekipam-pirenena Malagasy izay tsy manana afatsy isa 9, raha toa ny ekipan’i Diego Rizzi no voalohany manana isa 21, Helfrick 20, France 2 manana isa 18, Madagasikara 9, France 1 manana isa 7, Andriantseheno 4, Rousseau 2.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap