airtel

Sport

28-août-2024

Minisitra Abdulah Marson Moustapha

"Atao laharam-pahamehana ny kianja Barea"

Sample post image

Nivoaka tamin'ny fahanginany sahady ny minisitry ny Fanatanjahantena, Abdulah Marson Moustapha

28-août-2024

ka nilaza fa ho ataony laharam-pahamehana ny ahazoan'ny kianja Barea fankatoavana avy amin'ny CAF. Tena tsara izany satria niteraka fatiantoka lehibe ho an'ny baolina kitra malagasy io sazy io.Sarotra tamin'ireo klioba sy ny Barea izany mandray an-tanin'olona izany. Mitombo be rahateo ny vola lany. Manginy fotsiny ny tsy fahitan'ireo mpitia kitra lalao eto an-toerana.Izany rehetra izany no mahatonga hiteny hoe tena tsara raha izay no laharam-pahamehana ho an'ity minisitra avy any Mahajanga ity.Saingy mba afaka manakana ny politika ve izy ka hiteny hoe tsy azo hanaovana fety ny kianja fa ny baolina irery ihany ? Ho hita eo ny tohiny fa raha mbola zatra ny lalan-dririnina aloha dia aleo manamboatra saina dieny izao.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap