airtel

Sport

05-août-2024

NY LALAO OLYMPIKA

Fa inona marina, ahoana no niandohany, inona no tanjona ?

Sample post image

Ankoatra ny lalao natao tany Berlin tamin'ny andron'ny Nazi nitantanan'i Hitler an'i Allemagne dia ity atao any Paris

05-août-2024

ity angamba no niteraka adihevtra betsaka sy nalaza indrindra. Tsara noho izany no ahafantarana hoe fa inona marina moa ny atao hoe Olympiade na jeux Olympiques ?.
FOMBA GRIKA
Tany Olympie Grèce fahiny tamin’ny 776 talohan’i Jesoa Kristy no niforonan'ny lalao Olympika.Natao ho fanomezam-boninahitra an’i Zeus, mpanjakan’ny andriamanitra grika ary ny lehilahy ihany no afaka nandray anjara tamin’ny lalao fa ny vehivavy dia mpanatrika fotsiny. Nifantoka tamin’ny taranja fototra atletisma ny lalao (Dia an-tongotra, hazakazaka, tsipy lefona javelot, vikin-dava) fa nisy koa ny tolona, sy fifaninanana mamily kalesa taritin-tsoavaly. Isaky ny 4 ny lalao.
FIRAISAN-TSAINA
Tamin’ny faran’ny taonjato faha 19 no namerenan’i Pierre de Coubertin, mpampianatra frantsay ny olympiade rehefa nahita izy fa tsara ny lalao olympika isaky ny fahavaratra (été) nataon’ny Grika fahiny ary afaka hamerenana ny fitoniana sy fandriampahalemana sy ny firaisan-tsaina iraisam-pirenena ny fikarakarana ireo lalao isan-karazany. Mbola tazonina hatramin'izao izany foto-kevitra izany, ary anisan'ny hetsika be mpanaraka indrindra maneran-tany sy ezahana hampiombona ny rehetra ny lalao olympika na dia mety misy ihany aza ny indro kely indraindray.
MPANDRAY ANJARA VITSY
Ny taona 1896 no natao voalohany tany Athènes, renivohitr’i Grèce ny lalao olympika moderna izay mitohy hatramin'izao. Nahatratra 241 ny atleta nandray anjara, tany am-piandohana avy amina firenena 14 ary nisy taranjam-panatanjahantena 9 sy fifaninanana 43. Tsara ho marihina fa 10 000 mahery ny atleta mandray anjara mandritra ny lalao olympika atao any Paris Frantsa amin'izao fotoana.
TIFITRA VOROMAILALA
Nisy tamin'izany fotoana ny fifaninana mitifitra voromailala ka izay mahafaty be indrindra no mandresy .198 ny mpandray anjara tamin’ny JO 1900, nahazo ny medaly volamena ilay Belge Léon de Lunden nahafaty voromailala 21 tamin’ny bala 21. Nisy ihany koa ny lomano misy fefy : milomano, mandalo ambany sambo, miakatra ambony sambo hafa sady mihazakazaka izay vao miverina anaty rano. Vitan’ilay Australiana Frederick Lane tao anatin’ny 2 min sy 38 seg izany.
FANAVAOZANA
Lasa nisy lalao Olympika ririnina nanomboka ny taona 1924 tany Chamonix, France, ahitana ny ski alpin, patinage artistique, ary ny hockey sur glace. Nanomboka ny taona 1960 tany Rome ny lalao paralympiques natokana ho an’ny olona manana fahasembanana. Eo ihany koa ny lalao ho an’ny tanora na ny Jeux de la Jeunesse (14-18 taona) niatomboka ny taona 2010.
LALAO OLYMPIKA 2024
Firenena mandray anjara amin’ny JO 2024 Mihoatra ny 10 000 ny isan’ny atleta izay avy amin’ny firenena 206 , mandray anjara amin’ny taranja miisa 329.Fanintelony izao Paris (andiany faha 33) no nandray ny JO, 2024-1900-1924 Firenena 3 ihany no voarara tsy handray anjara tamin’ny JO 2024 : Russie, Biélorussie ary Guatemala. Ny antony ho an’i Russie sy Biélorussie dia noho ny fandraisan’ireo anjara amin’ny fanafihana an'i Ukraine. Ho an'i Guatemala kosa, nahanton’ny CIO tamin’ny volana oktobra ny komity olympika any an-toerana satria naaton’ny Fitsarana any Guatemala ny fitsipika sasany mifehy azy.
MADAGASIKARA
Mandray anjara amin'ny JO Paris 2024 ny firenena malagasy ka 23 ny isan’ny delegasiona : 7 atleta 5 mpanazatra, 4 filohana federasiona, ny minisitra misahana ny fanatanjahantena mpisolo toerana, ny filoha sy sekretera jeneralin'ny komity olympika malagasy, olona 2 miandraikitra ny delegasiona, 1 tompon'andraikitra eo anivon'ny village olympique, 1 mpanao gazety . Tsiahivina fa miisa 6 ny atleta malagasy nandray anjara tamin’ny JO 2021 tany Japon. Tsy mbola nahazo medaly aloha hatreto ny Malagasy saingy nanamontaana ny zava-bita tsara indrindra nisy teto kosa ny mpilomano sy ny mpihazakazaka 100 m. TSIAHY Atleta nitondra avo ny voninahim-pirenena nandritra ny lalao olympika i Jean louis Rafanomezantsoa (1943-2016) ary mbola sokajiana ho sangany indrindra hatreto aloha.10 segondra 18/100 no nanaovany ny hazakazaka 100m tamin'ny famaranana nandritra ny lalao olympika tany Mexico ny taona 1968. Izy ihany koa no nanana ny zava-bita tsara indrindra teto Madagasikara sy taty Afrika teo amin'ny hazakazaka 100 m vitany tao anatin'ny 10 segondra tany Helsinki (1971).
Nanangona sy nandrindra: Misa.H sy RTT
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap