airtel

Sport

14-mars-2025

Raikitra ny FIBA 3x3 Champions Cup 2025

Faha-7 tsara indrindra ny Ankoay lahy, hivantana amin’ny TVM

Sample post image

Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande

14-mars-2025

ny fifaninana goavana « CHAMPIONS CUP BASKET 3x3 » izay andraisan’ny ekipam-pirenena Malagasy roa tonta dia ny Ankoay lahy sy vavy anjara. Handeha mivantana amin’ny TVM noho fiaraha-miasan'ny FIBA sy ny ORTM, raha ny fampahafantarana ofisialy omaly. Amin'ny 12 ora atoandro ka hatramin'ny 5 ora sy sasany hariva ora Malagasy mandritra io telo andro io ny lalao rehetra. Anio 14 martsa amin’ny 3ora sy fahefany tolakandro no hiakatra an-kianja voalohany ny Ankoay lahy, ka hisedra avy hatrany an’i Serbie laharana voalohany maneran-tany amin’ny FIBA 3x3. Anio amin’ny 5ora sy 5minitra hariva kosa dia hifandona amin’i Autriche. Rahampitso 15 martsa amin’ny 4ora sy 50 minitra kosa no hiatrika ny lalao fahatelo amin’i Pays-Bas. Miankina amin’ny vokatra azo amin’ireo ny dingana manaraka. Ny Ekipa vehivavy tarihin’i Jaofera Christiane Minaoharisoa kosa dia hifanandrina amin’ny Sinoa ny 14 martsa (amin’ny 2ora sy 45 minitra), ary avy eo hifandona amin’ny Kanadiana (4ora sy 45minitra). Rahampitso 15 martsa (amin’ny 4ora kosa) kosa no hifandona amin’ny Alemà amin’ny lalao farany amin’ny vondrona. Ny maha tompondakan’i Afrika ny Ankoay no nahafahantsika miatrika an’ity fifaninana avo lenta handraisan’ireo sangany maneran-tany amin’ny basket 3x3 ity. Ireo tompondaka isaky ny kaontinanta, ny laharana voalohany araka ny fanasokajian’ny FIBA, ireo nahazo medaly volamena, ary ny firenena mpampiantrano raha hiverenana no mandray anjara. Araka nambaran’ny FIBA, isan’ny mpilalao manana fahaiza-manao ahafaha-miatrika mpifanandrina na iza na iza amin’ny basket 3x3 i Elly Randriamampionona mpilalao malagasy mitana ny laharana voalohany. Ankoatra izay, mialohan’izao FIBA 3x3 Champions Cup 2025 izao, dia mitana laharana faha-7 amin’ny « top 8 » ho an’ny sokajy lehilahy i Madagasikara izay eo alohan’i Thailande ary aorian’i Australie. Voasokajy ho isan’ny ekipam-pirenena sarotra resena amin’ity fifaninana goavana tanterahana any Bangkok ity.
Toky R


 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso

Card image cap
13-mars-2025

10 taona aty aoriana, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra

Card image cap
13-mars-2025

Nivoaka omaly ny anaran'ireo mpilalao handrafitra n'y Barea hihaona amin'ny Ghana s'y Centrafrique any Maroc

Card image cap