airtel

Sport

07-juin-2024

Rallye Motul FMMSAM

Misy mpandray anjara 36

Sample post image

Raikitra indray ny ady amin'ny fahaizana mamily fiara amin'ity Rallye Motul FMSAM ny faran'ny herinandro ity.

07-juin-2024

Vory lanona ao ny sangany rehetra ary te maneho fahavononana hiady handrombaka ity rallye voalohany amin'ny taona ity. Raha ara-taratasy aloha dia efa lasan'i Faniry Rasoamaromaka ny amboara satria izy no mamily ny fiara matanjaka indrindra dia ilay Peugeot 208 T16.Tsara ny fiara ary efa nahazo traikefa tany amin'ny Rallye tany Frantsa ity zanaky ny governoran'Analamanga ity. Ary rehefa tsy i Faniry no mahazo azy dia mety ilay kambana aminy Mika izay mitondra ny Mitsubishi Lancer Evo isan'ny matanjaka ihany koa. Tsy hijery fotsiny ny fianakaviana Rasoamaromaka anefa ny mpifanandrina fa mba hampiseho ny talentany koa raha tsy hiteny afatsy i Mathieu lazain'ny olona hoe Zaza maditra nefa dia tena nihahendry ny tovolahy ary vonona ny hamelo-maso izany anarana Andrianjafy izany amin'ny familiana ilay Subaru fa tsy ilay R12 nahazoan'ny dadany fahiny. Mbola eo dia eo koa anefa i Fred Rabekoto izay mety handrombaka ny amboara satria isan'ny raitra koa ilay Subaru entin'ity zanak'i Jeannot Rabekoto ity.Tandremo anefa tsy mahay mitsinjo lavitra fa raha fahaizana mamily fotsiny dia manao poa-tsatroka an'i Olivier Ramiandrisoa izay niova fiara. Ary tsy niova fotsiny fa nisafidy ny matanjaka sy mahazaka lalan-dratsy dia ilay Mitsubishi Evo X izany.Ny lalana izay mirefy 300 km ka 122,900 km ireo faritra voatokana na sivy na Épreuve Spéciale dia misy ratsiratsy ihany fa mila mitandrina fa izay no maha rallye ny rallye. Ho hita eo izany izay tena ho tompony fa amin'ny maha voalohany ity fifaninanana ity dia izao no azo hitarafana izany tena mahay. Tsy hoe mahay mitrifana satria tsy angovo io fa teknika.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique