airtel

Sport

21-déc-2023

Tsipy kanetibe

Any Andraikiba no fotoana

Sample post image

Raha mbola faradoboka amin'ny tsipy kanetibe aloha tsy misy ohatr'ity any Andraikiba

21-déc-2023

ny 29 sy 30 desambra ho avy izao. Natao ho an'olon-droa miaraka ilay izy ary tompom-baolina sy kongona no tsy maintsy miaraka nefa dia mahatratra efatra tapitrisa ariary no vola azon'ny mpandresy raha iray tapitrisa izay resy teo amin'ny famaranana. 2 hetsy kosa ny fahatelo sy fahaefatra raha iray hetsy sy roa alina ny saram-pisoratana anarana amin'ity Faradoboka goavana eny Andraikiba. Misy lalaovin'olon-droa ny vehivavy sy tanora ary ny beantitra saingy kelikely ny vola ho azo.Mandra-piandry anefa dia tokony maka traikefa kely eny Ivato eny amin'ny Grand Open ABMI natao indrindra ahatsiarovana ny Jeneraly Tahiry Rarivomanana.Ny faran'ny herinandro izao no ho tanterahana ity hetsiky ny ABMI eny Ivato ity.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap