airtel

Sport

06-août-2024

Tsipy kanetibe

Ela ny ela nandresy ry Baloti

Sample post image

Lasan'ny ekipa malagasy nahitana an'i Baloti, Tselonina ary Havana ny fandresena.

06-août-2024

Tany amin'ny Espalion ny faran'ny herinandro sady isan'ireo andrarezina frantsay no resin'izy ireo dia i Lufovic Montero, Jean Feltain ary Michael Bobeto. 13 noho 7 no isa nisarahana. Efa nitatika 7 noho 5 anefa ny Frantsay vao nifoha tamin'ny torimasony i Baloti ka tsy nomeny isa hatramin'ny farany ireo izay nolazaina fa tsy hisy aharesy ireo. Tsara izany aloha hatreto no nataon'ireo mpilalao malagasy mandray anjara amin'ny Masters ireto. Lasa manamarina ny safidin'ny FSBM raha izao vokatra izao satria resin'izy ireo teo amin'ny manasa-dalana ny ekipa malagasy tena eken'ny maro fa tena mandravarava ary lazain'ny gazety hoe Brezilianin'ny tsipy kanetibe izay tsy iza izany fa Zigle sy Tiana Kely ary Bruno. 13 noho 8 moa no isa nosatahan'ny roa tonta saingy tsy manakana ny eritreritra mianga izany hoe sao dia mba nalefan'ny Zigle ary zalahy ireto. Mila ity fandresena ity mantsy ny FSBM mba hanamporofoany fa tsy diso safidy izy ireo. Mety efa nandefa resaka ihany koa ny DTN izay any an-toerana Tena azo eritreretina izany satria ireo fifaninana any Frantsa dia efa lasa raikitra fa mizara ny vola ho an'ireo izay tafita amin'ny ampahaefa-dalana.Raha ity tany Espalion ity izao dia nahatratra 28 780 euros ny loka saingy efa mizara maromaro satria mahazo daholo ireo tafavoaka anaty vondrona. Mbola tena ady na izany aza satria nahitana olon-telo miaraka 512 no nandray anjara. Marihina moa fa ny taona 2010 no nisy mpilalao malagasy farany nahazo ity International d'Espalion ity dia i Coklet sy David Morondava niaraka tamin'i Coco mpilalao avy any Marseille.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap