airtel

Sport

01-oct-2024

Tsipy kanetibe

Nanao poa-droa i Hery Morondava

Sample post image

Dia mbola sahy hanova izay tokony handeha any Dijon ihany ve ny FSBM ?

01-oct-2024

Izay no fanontaniana mipetraka voalohany taorianan'ny nandrombahan'Ambohitrimanjaka ny fiadiana izay ho tompondakan'i Madagasikara tany Antsirabe ny alahady teo. Ireo ihany anefa no efa nandrombaka ny Amboaran'i Madagasikara ary voatery nalefa tsy fidiny tany Frantsa na dia tsy tao anaty safidin'ny FSBM, ny DTN mantsy e. Zao dia nibaribary ny tsy fahafehezana mitantana satria samy tsy hita tabilao ireo hitsikitsika natao hivavahana. Tsy nisy Havana. Tsy nisy Baloti ary mbola samy tsy tao anatin'ny ampahavalon-dalana akory na Hery Monde na i Tselonina. Ireo anefa no efa-dahy an'ngahy Tale Teknika Nasionaly. Dia gaga ny tena. Ary mbola mety ho gaga raha mbola tafiditra ao anatin'ny lisitra hifidiana ireo. Ho sarotra ihany ny tsy haka ireto UBM ahitana an'i Hery Morondava sy Donald izay nampiarahana amin'i Jeannie fa tsy Yves intsony izay nisaafidy hiaraka amin'ny ekipa hafa. Raha amin'ny saina tsy miangatra izany fia tokony Hery Morondava sy Donald no tompon-toerana any Dijon. Mety hanampy aza ireo fotsiny i Tina Kely sy Mamy Ronaldinho izay resy teo amin'ny famaranana tamin'ny isa 13 noho 7. Izay aloha no fijery mahitsy raha te ahita vokatra tsara satria dia efa hita mazava izao fa miova ny sary. I Mamy Mainty izay tena namoiaiky ny rehetra ny nataony no tokony hiady laharana araka izay drafitra hitondran'ny mpanazatra izay tokony ho olona voky traikefa toa an'i Nanou. Ny sisa dia aleo aloha mijery satria tsy ny anarana intsony no mitondra aminnizao andro izao. Tsy hita tabilao intsony ry Tafita sy Toutoune izay tena be mpanohana nefa hatreto aloha dia tranom-pody no vitan'ny vava. Legende : Avy any havia miankavanana Donald, Jeannie ary Hery Morondava.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap