airtel

Sport

10-oct-2024

Tsy manan-tsafidy intsony ny Barea

Maka isa 4 fara-faha ratsiny, hoy i Njiva

Sample post image

Tsy manan-tsafidy intsony ny Barean’i Madagasikara na ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra

10-oct-2024

amin’io andro faha 3 sy faha 4 amin’ny fifanintsanana ahazoana ny tapakila ho any amin’ny CAN 2025 na ny amboaran’i Afrika atao any Maraoka amin’io taona hoavy io, hoy ny lohalaharana malagasy, Njiva Rakotoharimalala. Mila maka isa 4 fara faha ratsiny isika amin’ireo fihaonana in-droa miantaona amin’i Gambia ireo, hoy izy, taorian’iny isa tokana monja azo taorian’ny fihaonana tamin’i Tonizia sy Kaomoro iny. Azo lazaina ho tokony hitovy ny herijikan’ny ekipa roa tonta, izany hoe isika sy ry zareo gambianina amin’ireo lalao hatao ny 11 sy 14 oktobra ireo satria samy tsy hisy hilalao an-jaridaina ny roa tonta. Miankina amin’ny tekinika sy takitika apetraky ny mpanazatra kosa ary ny fahaizana sy traikefan’ireo mpilalao eny ambony kianja anefa no hahazoana fandresena na tsia, ho antsika malagasy moa izany dia hoe isa 4, araka ny nambaran’i Njiva teo. Azo lazaina mafy ara-taratasy noho ny Barea eto ny gambianina na dia tsy hilaza afa-tsy ny hoe manana klioba daholo ny mpilalao ao aminy amin’izao fotoana izao. Ny antsika kosa dia miisa 10 be izao izany no voambara fa mbola mitady izay klioba hilalaovany izay, mba tsy hilazàna hoe tsy manana klioba, ary na ireo manana aza dia saika milalao amina fifaninanam-pirenena maivana avokoa na dia ireo milalao any Eoropa aza satria divizionina faha 3 ny ankamaroany ary misy faha 5 mihitsy aza.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

17-oct-2024

Nofy lalina ny hoe Barea hanao «Mondial» Laharana voalohany vonjimaika amin’izao fotoana izao i Kaomoro,

Card image cap