airtel

Sport

15-nov-2024

Vizana tanteraka ny Barea

Nametra-pialana I Coache Rôrô

Sample post image

Vita hatreo ny nofinofin’i Madagasikara amin’ny fiatrehana ny CAN 2025. Niady hatramin’ny farany,

15-nov-2024

saingy noresen’ny Tonizianina 3-2 tany amin’ny fanampim-potoana farany omaly, na dia efa nilalao 10 aza izy. Vao 6 minitra dia efa nidiram-baolina ny Malagasy rehefa namotsotra i Teva Gardies, izay voatery tsy maintsy najoro noho i Sony Laiton tsy afaka niatrika ny lalao omaly noho ny karatra mavo in-droa nisesy. Voahasalantsika tamin’ny alalan’ny « corner » niditra, ka votsotra teny an-tanan’ny mpiandry harato Tonizianina teo amin’ny minitra faha-29. Nokobanin’i S.Ltaief indray anefa ny haratontsika folo minitra taorian’io, saingy niady mafy ny Barea, ka voasahalan’i Ibrahim Ahmada 2-2 tany amin’ny 45+3, segaondra farany nialohan’ny fialan-tsasatra. Nanova mpiandry harato ny Tonizianina ny fizaram-potoana faharoa. Nampikorontana tanteraka ny vodilaharana Tonizianina ny nampidirana an’i El Hadari mpilalao vaovaon’ny Paris FC, saingy tsy niova ho isa. Nanatombo tamin’ny fanafihana isika tao anatin’ny fizaram-potoana faharoa, Voafingana tao anaty faritra tsy azo ivalozana aza i El Hadari teo amin’ny faha-58 minitra, fa tsy notsofin’ny mpitsara, ary izy indray aza no nahazo fampitandremana. Segaondra vitsy taorian’izay, nahazo fanafihana tsara dia tsara tokony ho faty isika, fa nataon’ny mpitsara an-jorony « en position de hors jeu » i Rayan Ponti saingy ny mpitantara aza nandiso io fanapahan-kevitra io. Natosika tao anaty faritra tsy azo ivalozana ihany koa i Marco Ilaimaharitra teo amin’ny minitra faha-75 fa tsy notsofin’ny mpitsara. Mampahatsiahy ilay baolina matintsika nolavina manta tamin’ny fifandonana tamin’i Gambie. Mbola ny Tonizianina efa nilalao 10 indray ireo no nanampy isa iray tany amin’ny minitra faha-93, ka nitondra fandresena ho azy izay manana isa 10 ao amin’ny Vondrona A. Betsaka ny fanarenana mila atao, ary mbola mikaonty foana ny nananantsika Tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny CAF fony i Ahmad nitantana an’izany, fa ankehitriny isika tena potehin’ny Afrikanina any anaty fitsarana, kanefa ny lesoka ara-pitantanana sy ara-teknika manampy trotraka. Na ireo mpilalao aza mety betsaka no kivy.

Iny aloha izany fa nahatsapa tena nametra-pialana tsy hitondra ny Barea A intsony ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe ny farany, izay faharesena 4 sy ady sahala 2 no azony tao anatin’ny fifanintsanan’ny CAN 2025, izay tsy manana afatsy isa roa. Hanao ahoana kosa ny endri-panovana sy fanatsarana manaraka ? Mila rivo-baovao ny Barea, mila fanomanana hatrany ifotony, fa tsy misy ny fahagagana ! Izao dia efa mila hamafisina ireo dingana amin’ireo fifaninanana manaraka miandry sy manomana ny ho avy lavitra ezaka!
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-nov-2024

Tsy afa-bela ny Barean’i Madagasikara tato anatin’ny fifanintsanan’ny CAN 2025 ! Nandohalika teo anatrehan’i Comores ny ekipam-pirenentsika

Card image cap