airtel

Sport

12-juin-2024

Voatazon’ny Barea 0-0 I Mali

Saika ratsy, mila miezaka raha...

Sample post image

Saika ratsy iny omaly iny ho an'ny Barea izay voatery nilalao folo raha vao 15 minitra fotsiny nanoloana an'i Mali.

12-juin-2024

Nahazo karatra mena i Louis Domeleon. Tsy manao ny lalaon'ny Barea manaraka izany i Domeleon ary toy izany koa i Ibrahim Amada izay nahazo karatra mavo faharoa. Nisaraka samy tsy nisy nitoko izany ny roa tonta. Kajy diso ihany ho an'ny Barea satria azo noresena ihany ireo Voromahery vizaky ny lalana satria omaly maraina izy ireo vao nigadona tao Johannesbourg rehefa niantona adiny dimy tao Addis Abeba. Reraka ry zareo hany ka nanarinary baolina tsy toy ny mahazatra nefa nikorontana ihany koa ny Barea noho i Rayan Raveloson izay nidina vodilaharana afovoany. Nety anefa ny nataony saingy ny tao afovoany nialany indray no nisy banga na dia nohemotra koa aza i Tendry nameno ny banga. Reraka noho izany i Carolus Andriamahitsonoro sy Loic Lapoussin ka nosoloana an'i Angelo sy Tsiry saingy tsy dia nahitana vokatra izany. Nosoloina koa i Titouan Safidy Fortun ary niditra i Thierno Millimono. Taratry ny tsy fahafehezan'ny mpitantara tao amin'ny RNM anefa ny filazany fa nosoloina an'i Fortun i Safidy.Hianarana anie izany mitantara baolina izany ary izay no tombon'i Naina Rabearivony izay nianatra ireo fanaon'ny zoky teo aloha toa an'i Jean Claude Andrianaivo ary Rady Marcel. Raha hoverenana ilay baolina omaly dia tsara ihany hp an'ny Barea. Voatazony i Mali izay laharana faha 44 eran-tany raha faha 109 no misy an'i Madagasikara. Mila manitsy kely satria mahagaga ihany ny tsy nampidirana an'i Fabien Boyer mba ahafahan'i Rayan Raveloson mandamina ny fanafihana ao ampovoany raha tsy ny hamono baolina mihitsy aza.Mijanona laharana faharoa aorian'i Ghana izay hihaona aminy eto an-tanana raha vita soa aman-tsara ny Kianja Barea ny volana septembra. Nefa izy moa mahita raha mbola hanaovana lanonana indray ny 26 jona ho avy izao.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique