airtel

Teny kely aza hoe

24-mars-2025

MADAGASIKARA sy FRANTSA

Teny kely aza hoe...

Sample post image

Ho avy aty Madagassikara miaraka amina delegasionina mafonja amin'ny volana aprily

24-mars-2025

ho avy io ny filoha Frantsay Emmanuel Macron. Resaka voamieran'ny ranomassimbe indianina no anton-dia fa tsy maintsy hisy momba ny fifandraisana eo amin'i Madagasikara sy Frantsa...Asa raha ho voaresaka ao ny iles éparses? Maro ireo olom-pirenena nameho hevitra tao amin'ny pejy Facebook n'ny Tia Tanindrazana.
1- Iantso sy Tolotra Rakotondrabe : "Raha azoko tsara de hampiantrano ny filoham-pireneny zany ny filoham-pirenetsika... "
2-Andréa Herizaka : "Aza manantena. Efa vita ny Mission. Sady io le solutions..."
3- Faly Hary Ra:"relation entre prestataire et donneur d'ordre"
4-Tafitasoa Princy :"Hay ve zany y antony nanamboarana anle lalana rehetra kay eh? Mafy lisany le"
5-Na Rindra Ratolojanahary : " Ireo îles éparses ireo mihitsy no mila andefasana tafika raha ny evitro,tonga dia atao Guerre fa raha angataka lava an'io angamba tsy ahazo mihitsy,tokony alefa ireo jeneraly nakarina grade reo hiady e ,ry korotamby sy ny tariny "
6-Rado Herisambatra Razakamanantsoa : "Efa oe izay no antony analana ny mpivarotra fa tsy resaka fivoarana maharitra,,, alamina kely aloha fa handray vahiny mpanjanaka"
7-Tometal Continental : " Dia tàkio @ izay ilay "îles éparses"Rasedy an"
8-Adrien Andria :"Tsy maharotitr ny gasy zan fa zvtr haf zao mampietsi-po azy"
9-Randriam Nirilalao :"EFA vitan zareo EFA ela ny resaka momban'io îles éparses Io e! Tss resaka intsony !"
10-Terre Force :" Tsy possible intsony izany îles éparses izany. Saika Nanjonoan'i Rajoelina ny fon'by Malagasy fotsiny le raha, kay Nanontanian'i La Frantsa haingana izy hoe vous êtes Francais ou MAL Gâche? Nanomboka teo no nitsahatr ny fitakiagna ny nosy manodidina."
11-Hagamainty Rasoa :"Aza hadino fa misy ny olana @ République Comores !!!! Mayotte tany ny Repoblika Comoriana dia lasa firenenena manokana ao @ COI ! Iza ary no nanapaka izany???"
12-Karane Raïz :" Accord efa vita fa mody réstituer-na hono Frantsay ve hisangy @ intérêts-ny ngeza be ao @ Eparses ireo?Ts possible."Ici c'est la France" ampy isainana."
13-Stéphane Rabezandry :" Tsy ny Îles éparses irery ihany fa tokony mitondra fanazavana ny antony nanomezany nationalité any Rajoelina i Frantsa !" 14 Mi Makaveli :"Tandremo sao lazainao fa la malnutrition est un droit an"
15-Ruphin Temandatsa :"Fanehoana am fomba manotrokotroka fa tafaverina zanatany frantsay amin'endriny vaovao i Gasikara."
16-Ramaro Taeh: "Manalabaraka ny Malagasy zany..Tsy ny vahoaka no mitady anzan fa io Filoha Rajoelina zay Frantsay iany koa moa izy io.Manofy atoandro raha ahazo îles éparses zany fa ny tany eto ary vaomaika ho amidiny daol. Fitondrana zatra nandroba reo . Ka matoria iany ry Malagasy fa ho lafo zao retra zao
17-Velo Av : "Madagasikara ary efa lasany ko îles éparses no antenaina"
18 -Randrianaivoarison Elyse : "Na ho resahiny io Dia fampandriana adrisa ny gasy araky ny fomba efa mahazatra fa aza manatena hena antanan-tsaka"
19-Tsiafoy Heriniaina Notiavina :"Ho avy eto ny filoha an ny filoha. Tadidio fa filoha anao koa io vazaha io, izany hoe lehibe ny ..."
20-Jek Karim :" K inon moa n hatongavan vahiny eto Mada mato iooo!!raha ts hitrandraka ny mahasoan eee!!!"
Tia Tanindrazana
 

Dans la même rubrique