airtel

Toekarena

28-mai-2024

ANTALAHA

Tsy ho lo am-pitoerana intsony ny voankazo

Sample post image

Efa mamokatra ny milina fanamainana ireo karazam-boankazo vokatra ao Antalahata ny tpmpon’andraikitra.

28-mai-2024

Mamokatra voankazo maro ny ao an-toerana raha tsiahivina saingy ny olana hatramin'izay dia ny tsy fisian'ny orinasa manodina azy ireny mba ho azo tehirizina sy ho lasa fihariana, ka ho azo aondrana mankany ivelan'ny faritra, hampitombo ny fidiram-bolan'ny tantsaha sy hanatsara ny fari-piainany. Ny Tetikasa ODOF dia mamaly izany, distrika iray hametrahana indostria iray. Ny Kaoperativa MAMOKATRA ao Antsonasona Antalaha izay manana mpikambana maherin'ny 600 no mitantana ny Orinasa ODOF ao Antalaha araka ny Antso ho an’ny tetikasa nataon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra. Afaka miara-miasa aminy koa ireo kaoperativa rehetra misehatra amin’ny fambolena voankazo. Manampy ny fampandrosoana ny faritra ny fahazoana fitaovana toy izao. Faly ireo mpikambana ao amin'ny kaoperativa fa tsy ho simba sy ho very fotsiny intsony ny vokatr'izy ireo manomboka izao.
Pati
Legende : Maro tantsaha mpamokatra voankazo ao anatin’ny distrikan’Antalaha !
 

Dans la même rubrique