airtel

Toekarena

17-juin-2024

Banky iraisam-pirenena

Mandrisika ny governemanta hampivelatra ny famokarana

Sample post image

Araka ny tatitra vaovao avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, ny fitomboan’ny

17-juin-2024

harin-karena eto Madagasikara dia tokony hifanaraka amin’ny vinavinan’ny Governemanta ao amin’ny tetikasa Lalàna mifehy ny Tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana na LFR 2024, izany hoe 4,5% ho an’ny taona 2024. Misy fiakarana kely antenaina ho an’ny taona 2025 (4,6%) sy 2026 (4,7%), raha ny fanamarihana. Ho an’i Afrika Atsimon’i Sahara, ny fitomboana dia tokony hiakatra ho 3,5% amin’ny taona 2024, ary ho 3,9% amin’ny taona 2025. Asongadin’io tatitry ny Banky Iraisam-pirenena io fa tokony hihatsara ny toekarena maneran-tany, voalohany tao anatin’ny 3 taona amin’ity 2024 ity, saingy mbola ambany raha oharina amin’ny fenitra ara-tantara hatramin’izay. Ny fikarana ara-toekarena maneran-tany dia tokony hitohy ho 2,6% amin’ity taona ity, hoy ny tatitra. Nomarihina fa io fiakarana ho amin’ny taona 2024-2025 io dia tokony ho ambany noho ny salan’isa tamin’ny taona 2010 eo amin’ny 60% amin’ireo toekarena, izay mifandraika amin’ny 80%-n’ny mponina maneran-tany, araka ity tatitra ity hatrany. Ho an’i Madagasikara manokana, mba hanohanana ny fiakarana ara-toekarena maharitra, mandrisika ny Governemanta mba handray fepetra handrisihana sy hampitomboana kokoa ny famokaran’ny firenena, hanatsara ny fahombiazan’ny fampiasam-bola ataon’ny fanjakana, hampivelarana ny fahaiza-manao ara-pamokarana eo amin’ny lafiny mahaolona ary hanamaivana ny elanelana misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy eo amin’ny tsenan’ny asa,… Mazava io, fa mila ezaka i Madagasikara! Tsy dia tena misy zavatra antenaina be sy tsy hita taratra firy amin’ny fiainana ara-toekerana sy ara-tsosialy na miabo aza ny tarehimarika momba ny fiakaran’ny harin-karena satria tena mila an’ilay antsoina hoe : « croissance à deux chiffres » izany hoe : 10% miakatra isika, raha izao faharefoana ara-toekarena sy fahantrana lalina. Isan’ny tena ain’ny toekerana ny famokarana izay tsy vitan’ny Fanjakana samirery. Manana anjara toerana goavana ny sehatra tsy miankina izay tokony hotohanana sy ampiana hiroborobo fa moa tena izay ve no ataon’ny Fanjakana sa volosana amin’ny fitakian-ketra mihoampampana ny orinasa sy ny mpandraharaha ?
Toky R
Sary indrana
 

Dans la même rubrique