airtel

Toekarena

01-juil-2024

Comesa Federation of Women in Business

Nitadiavana lalam-barotra ho an’ny vehivavy mpandraharaha

Sample post image

Nifarana ny Sabotsy teo rehefa naharitra 2 andro ilay hetsika Traide Fair Madagascar andiany fahadiny,

01-juil-2024

taona 2024- Comesa Federation of Women in Business nokarakarain’ny GFEM na ny fivondronan’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara tarihin-dRazakaboana Fanja natao teny amin’ny Novotel Ivandry. Tamin’ny ankapobeny dia hetsika iray nahafahana nitady lalam-barotra ho an’ny vehivavy mpandraharaha izy iny miainga eto Madagasikara ka hatrany Afrika Atsimo sy Atsinanana. Samy niaiky rahateo ireo vahiny nasaina sy nanatrika izany fa tena manana ny maha-izy azy ireo vehivavy mpandraharaha Malagasy ary tokony hahavita zavatra raha tsara tohana. Vehivavy mpandraharaha am-polony moa raha tsiahivina no niatrika sy nandray anjara tamin’izany izay marihina fa samy manana fanantenana ny ho tafavoaka amin’ny seha-pihariana tontosainy avy, indrindra fa mitrandraha sy manosika manokana ireo karazam-bokatra mampiavaka an’i Madagasikara toy ny tantely, ny sesame….
Pati
Legende : Ramatoa Fanja Razakaboana notronin’ireo vehivavy mpandraharaha teny an-toerana nandritra ny famaranana ny lanonana !
 

Dans la même rubrique