B-Ready) nataon'ny Banky Iraisam-pirenena i Madagasikara. Manolo ny ny fanadihadiana sy fanasokajiana ao anatin’ny « Doing Business » na ny fahafahana mandraharaha sy mampiasa vola ao anatin’ny Firenena iray izy io, ka voasokajy anatin'ny toekarena “quintile inferieur” i Madagasikara, izay midika hoe tsy dia mahomby sy marefo amin’ny fahafahana mampiasa vola sy mandraharaha. Miisa 10 ireo lohahevitra, ka zava-dehibe ao anatin’io ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, izay mifanaraka amin'ny dingana samihafa amin'ny fahaveloman’ny orinasa sy ny fandraisany anjara amin'ny tsena na ny fitsaharany, ny fidirana amin'ny fandraharahana, ny toerana misy ny orinasa, ny tolotra ho an'ny daholobe, ny asa, ny tolotra ara-bola, ny varotra iraisam-pirenena, ny hetra, ny famahana olana, ny fifaninanana amin'ny tsena ary ny tsy fahampian'ny orinasa. Navoitra amin’ny andry 3 lehibe, dia ny fampanarahan-dalàna sy rafitra na « cadre réglementaire », ny tolotra ara-panjakana ho an'ny daholobe na « services publiques », ary ny lafiny fahombiazana na ny « efficacité opérationnelle ». Ho an'ny lafiny ara-drafitra sy lalàna izay ahitana ny fitsipika sy ny fepetra takiana ho an'ny orinasa rehefa manokatra, miasa (na mitombo) ary mamarana (na manavao), dia nahazo isa 57,38 tamin'ny 100. Ho an'ny andry tolotra ara-panjakana ho an'ny daholobe, dia 31,64 tamin'ny 100. Miompana amin’ny anjara biriky omen'ny governemanta ho an'ny fanajana ny fitsipika, ankoatra ny fotodrafitrasa ahafahan'ny orinasa miasa sy mivelatra io. Eo amin’ny andry fahatelo dia fahombiazana eo amin’ny asa kosa, nahazo isa 52,29 tamin'ny 100 i Madagasikara. Ity dia mandrefy ny fanamorana ny fampanarahan-dalàna sy ny fampiasana mahomby ny sehatra ara-panjakana ho an'ny daholobe izay tena ilaina amin'ny orinasa. Araka ny famintinana ao amin'ity tatitra ity, ny toekarena ao amin'ny « quintile inferieur » dia maneho ny zava-bita ambany indrindra amin'ny andry tsirairay. Voalaza ao fa tena ambany sy marefo ny toekerana miainga amin’ny tolotra ara-panjakana ho an’ny daholobe, izay zara raha nahazo salan'isa 26,73. Etsy ankilany, dia nahazo salan'isa ambony kokoa amin'ny andry rafitra ara-dalàna (52,75) sy ny fahombiazana ara-panjakana (48,03). Ny fanasokajiana farany tamin’ny «Doing business » moa dia nametraka an’i Madagasikara ho faha-161 tamin’ny 190, ary tsy dia mifanalavitra amin’io isika amin’ity B-Ready ity izany hoe : tsy milamina ka mbola mila ezaka be ny antoka hahafahan’ny mpampiasa vola na « climat des affaires » eto.
Toky R