airtel

Toekarena

08-juil-2024

Fampiasam-bola vahiny mivantana na IDE

Tsy nitsaha-nitotongana hatramin’ny nitondran-dRajoelina

Sample post image

Nivoitra tao anatin’ny tatitra 2024 momba ny fampiasam-bola maneran-tany, navoakan’ny

08-juil-2024

Rafitry ny Firenena Mikambana momba ny varotra sy ny fampandrosoana (CNUCED) rafitra iray eo anivon’ny Firenena Mikambana (SNU) izay notaterin’ny fampahalalam-baovao iray omaly, fa tafiditra ao anatin’ireo firenena tsy dia mahasarika loatra i Madagasikara, raha ny haavon’ny fidiran’ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany no jerena. Nambarany fa ny fidiran’ny IDE teto Madagasikara dia tena ambany be teo anelanelan’ny taona 1990-2005 noho ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika. Nahitana fitomboana mihoatra ny 372% ireo fidiran’ny IDE teo anelanelan’ny taona 2006-2008, noho ny fiverenan’ny filaminana ara-tsosialy sy ny fisandratan’ny toekarena. Saingy nihena indray ny haavon’ny IDE niditra nanomboka tamin’ny taona 2009, niova avy amin’ny 1269,4 tapitrisa dolara ho 313,68 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2014, hoy ny tatitra. Tsy nitsaha-nitotongana nanomboka ny 2009 nisian’ny fanongama-panjakana notarihin’i Andry Rajoelina teto Madagasikara. Teo amin’ny 415 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola avy amin’ny IDE ny taona 2023, izay latsaka noho ny 2022, izay teo amin’ny 468 tapitrisa dolara. Tany amin’ny 20 taona (2003-2004) dia tany amin’ny 95 tapitrisa dolara izany, niakatra 294 tapitrisa dolara ny 2006, tonga 777 tapitrisa dolara ny 2007, niaktra 1,169 dolara ny 2008 izay io no ambony indrindra, ary nidina 1,066 miliara dolara ny 2009. Somary nihevaheva 800 tapitrisa dolara teo tao anatin’ny 3, taona saingy tafidina hatrany amin’ny 567 tapitrisa ny 2013 niafaran’ny tetezamita. Latsaka 351 tapitrisa dolara ny 2014,… Tao anatin’ny dimy taona farany, ny fidiran’ny IDE ho an’i Madagasikara dia niainga tamin’ny 474 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2019, nidina ho 258 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2020, ary niakatra ho 358 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2021. Raha ny momba ny tahirin’ny IDE miditra, dia nitombo izany ka raha 4,120 miliara dolara tamin’ny taona 2022 ho 4,535 miliara dolara tamin’ny taona 2023. Ity tahiry ity dia mikasika ny sandan’ny renivola nampiasain’ny mpampiasa vola vahiny tao amin’ireo orinasa mipetraka eto. Ny 415 tapitrisa dolara tombanana ho an’ny taona 2023 dia, mbola ambany lavitra noho ny haavon’ny IDE tamin’ny taona 2008 izay nahatratra 1,392 miliara dolara, ary mbola tsy nisy nahatratra hatramin’izao, araka ny nambaran’ny Rafitry ny Firenena Mikambana ao amin’ny « Vision prospective de Madagascar ». Hatramin’ny nitondran’i Andry Rajoelina ny Firenena no nitotongana ambony ambany ny IDE ho an’i Madagasikara rehefa haravona ny tatitra, na dia mandeha aza ny serasera samihafa isaky ny mihetsika fa mahatoky antsika ny mpiara-miombon’antoka. Tsy dia hisy fahagagana be azo heverina raha tarafina amin’ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-toekerana ary ara-tsosialy eto Madagasikara ao anatin’izao mbola fitondran’i Andry Rajoelina ny firenena izao indray.

Fanamarihana azo entina fotsiny ohatra ny resaka fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, izay tamin’ny fitondrana tany aloha no nidiran’ireo orinasa goavana iraisam-pirenena roa eto mampiasa am-polony miliara dolara raha atambatra, izay niteraka asa an’aliny ary manana anjara toerana lehibe ara-toekarana, raha toa ka ny fifanarahana fitratrahana vy tsy nazava tany Soalala tamin’ny tetezamita sy ny kolikoly na tsolotra avo lenta tamin’ny orinasa Gemfields vao tsy ela no nampalaza ny fitondrana Rajoelina.
Toky R

 

Dans la même rubrique