fanabeazana, fitainjaram-pahefana ary ny fampiasana ny nomerika. Ankoatra ny fanofanana momba ny sehatra voafaritra mazava tahaka ny hoe fianarana teny vahiny, informatika, dia natomboka ny sabotsy lasa teo teny amin'ny ivon-toeran'ny tanira Faravohitra ny fanazavana miampy fampianarana ny tekinika fampiasana ny "intelligence artificielle" amin'ny fianarana ny matematika. Manampahaizana mirahalahy docteur en infirmatique sy docteur en mathématique no nizara traikefa amam-pahalalana tamin'ireo tanora izay hita fa tena liana tokoa satria 2 andro nivoahan'ny fampahafantarana dia efa feno sahady ny toerana. Efa voafoaka ao anatin'izay ny fanabeazana sy nomerika, tahaka ny fampitaovana ireo sekoly fsy miankina vitsivitsy teto an-drenivohitra izay efa vita mialohan'izay moa. Fa tontosa ny zoma 1 novambra lasa teo ihany koa ny Asa Maharitra faobe ho an'Antananarivo na AMA faobe teny Anosisoa, boriboritany faha-6. Nivondrona teo Analamanga Anosisoa ny mponina manodidina ny 1000 isa teo, nihaino ny toromarika sy fandaminana, nozaraina ny fitaovam-panadiovana dia samy lasa namonjy ny faritra na secteur misy azy ireo tsirairay avy. Efa voafaritra mialoha ireo faritra ireo araka ny soso-kevitra avy amin'ny mponina any an-toerana. Izy ireo no mahalala ny misy, mahalala ny filàna dia mampita izany amin'ny tompon'andraikitra dia arakarak'izay ny fanapahan-kevitra raisina. Izay ilay atao hoe fitsinjaram-pahefana. Tsy hoe ny fampianarana sy fanadiovana ihany no hanaovana izany fa tena azo itarina amin'ny sehatra rehetra io, mba ialana amin'ny fivangongom-pahefana sy haha tompon'andraikitra kokoa ny olom-pirenena amin'ny toerana ay sehatra misy azy ireo. Tsy kabary mampanonofy fa tonga dia asa ny antsika hoy i Tahina Razafinjoelina teny Analamanga Anosisoa ary aseho mivantana ho hitan'ny rehetra izany. Mazava ho azy tsy maintsy misy foana ny fanatsarana mila atao fa ny asa dia tsy maintsy atomboka aloha ary rehefa atao dia atao tsara, tsy mila dera na voninahitra. Tsy ny fitokanana zava-bita no inona fa ny hoe zavatra tena ilaina ve io natao io, mandeha sy miasa tsara ve ilay izy. Tokony ho fomba fiasa ihany koa ny mangarahara, ohatrinona marina ny tetibola nanaovana azy. Raha ny tombatombana avy amin'ny teknisiana malagasy izao 1 tapitrisa ariary no ilaina amin'ny fandavahana lava-drano na vovo iray eto Antananarivo. Raha mihatra tsara araka ny tokony ho izy ny fampivadiana ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana ary fampiasana ny teknolojia nomerika dia hiroso haingana ny fampandrosoana ny tanàna sy ny firenena mihitsy aza.
RTT