airtel

Toekarena

02-oct-2024

Fanatsarana ny tontolon’ny hetra eto

Niditra an-tsehatra ihany koa ny FMI

Sample post image

Eto Madagasikara ireo manam-pahaizana avy amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI,

02-oct-2024

izay manatanteraka iraka fanohanana ara-teknika amin'ny alalan'ny FITAS na "Framework for International Tax Administration Strengthening" . Ity rafitra ity dia mikendry ny hanamafisana ny fitantanana hetra iraisam-pirenena, ny fitantanana ny TVA ary ny vidin'ny famindram-bola. Ahitana ihany koa ny fanaraha-maso aorian'ny TADAT (Tax Administration Diagnostic Assessment Tool), fitaovana ahafahan'ny Talen'ny hetra manao fanombanana manokana, mandrefy tsy tapaka ny zava-bita, ary mahita haingana ny lesoka mba handraisana ireo fepetra ilaina, araka ny fomba fanao mahomby iraisam-pirenena. Eto Madagasikara nanomboka ny 30 septambra hatramin'ny 11 oktobra ireo iraka ahitana an'i Pierre Kerjean, Yves De Santis ary Medhi Ben Brahim.
Toky R

 

Dans la même rubrique