airtel

Toekarena

21-août-2024

Fanondranana lavanila 2024-2025

Nampiditra 104 miliara Ar ao anatin’ny CNV

Sample post image

4300 taonina ny fanondranana lavanila Malagasy ho an’ny taom-panondranana 2024-2025,

21-août-2024

raha ny tatitry ny Fanjakana. 104 miliara ariary na 520 miliara iraimbilanja no vola azo tamin'izany amin’ny alalan’ny CNV (Caisse Nationale Vanille) noho ny fandoavana ny 4 dolara isaky ny kilao, fepetra napetraky ny Minisiteran’ny varotra. Na dia eo aza ny fiakarana sy ny fidinana, ary ny maripana politika, dia nanamafy ny fitazonana ny fandraisana anjara 4 dolara ny minisitra. Nomarihina fa tsy mbola nisy teo amin'ny tantaran'i Madagasikara ny rafitra ara-bola toy ny CNV izay nanana vola be toy izao. Naneho ny fahafahampony ny mpanondrana rehetra ka tsy nampanosarotra ny fandrotsaham-bola tao anatin’ny CNV mba hanatsarana ny sehatra amin'ny ankapobeny, raha ny fanamarihana. Navoitra fa maodely tena tsara amin'ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra ara-panjakana sy tsy miankina ny kitapom-bola tahaka itony CNV. Hahafahana misintaka amin’ny fiankinan-doha amin’ny famatsiam-bola avy any ivelany, tena modely hahatongavana amin’ny fahaleovantena ara-bola, hoy hatrany ny fanamafisana. Voalaza ihany koa fa tarehimarika rehetra dia manaporofo fa tokony hitombo hatrany ny vidin'ny lavanila amin'ny hoavy. Voalaza fa hampiharina amin'ny sehatry ny jirofo io indrindra amin'ny fanondranana izay heverina hiakatra ambony dia ambony, ary tahaka izany ihany koa ny kakao miaraka amin'ny vidiny avo. Na izany aza, mbola mila ezaka isika eo amin’ny fanatsarana ny fanondranana, ny fametrahana ny vidiny ara-drariny satria matetika no ahitana fa amidy avo 10 heny na avo 50 eny aza amin’ny vidiny handraisana azy eto aza ny hamarotana azy any ivelany. Tahaka izany ihany koa ny tsy fampodiana vola vahiny na ny « rapatriement des devises » izay tokony hanome aina ny sandam-bolantsika,…


Raha ny tatitra farany nataon’ny Banky Foiben’i Madagasikara ny desambra 2023 moa, dia nisy fiakarany 36,6% ny fampidiram-bola azo tamin’ny fanondranana lavanila ny taona 2022, izay nahatratra 388,7 tapitrisa dolara. Tsara ihany koa no mampahatsiahy fa tao anatin’ny 6 taona farany no nitotongana tanteraka ny vidin’io, ka raha fampiakarana avo 3 heny no nampanantenain’ny Filoha ankehitriny fony kandida, dia fidinana tsy nisy tao anatin’ny 60 taona no nisy satria ny vidiny an-tapitrisany lasa an’hetsiny vitsy.
Toky R


 

Dans la même rubrique