airtel

Toekarena

21-août-2023

Toekarena

Fantaro ny Faritra Analamanga Isan’ny avokavoky ny toekarena Malagasy

Sample post image

Faritra iray ao anatin’ny faritanin’Antananarivo ny Faritra Analamanga. Manana velaran-tany 17 .448 km² izy, distrika 13 isa,

21-août-2023

kaominina 134, ary fokontany miisa 1.687 salan’isa tamin’ny taona 2018 azo teo anivon’ny sampandraharaha mikirakira ny antontan’isa na ny INSTAT. Ara-toetr’andro dia manana karazany roa izy.Ho an’ny volana novambra ka hatramin’ny aprily dia mafana sady mando ny ao Analamanga izany hoe : mandritra ny fotoam-pahavaratra. Maina sady mangatsiaka kosa ny volana jona ka hatramin’ny volana aogositra ka anisan’ireny ny vanim-potoanan’ny ririnina. Manana mpifidy miisa 1.906.399 ny Faritra Analamanga tamin’ny taona 2018 raha mitontaly 3,7 tapitrisa kosa ny mponina rehetra, salan’isa tamin’ny taona 2021. Izy no faritra be mponina indrindra eto Madagasikara.
FOTO-DRAFITRASA
Manana foto-drafitrasa ihany ny Faritra Analamanga amin’ny ankapobeny. Ho an’ny hopitaly CHDI ohatra dia miisa 48 ireo misy ao aminy. Miisa 127 kosa ny CHD II raha mahatratra 4 ny isan’ny CSB I, 7 CSB II. Tsy misy ny kazerina natokana ho an’ny zandarimariam-pirenena. Miisa 9 kosa ny hopitaly sy klinika tsy miankina. Miisa 1.411 ny sekoly ambaratonga fototra raha 145 ny sekoly ambaratonga faharoa na ny CEG. Ho an’ny liseam-panjakana mampianatra ny fampianarana ankapobeny dia miisa 22 izy ireo raha miisa 9 ny liseam-panjakana mampianatra ny teknika. Mitontaly 27 kosa ny oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana misy ao aminy. Mikasika ny lalana dia 16,8% na 633,8 km no azon’ny fiara madinika hampiasaina. Mahatratra 2748,9 Km kosa ny lalana natokana ho an’ireo fiara tsy mataho-dalana na 73% raha 0,7 % no vita rarivato na 25 km. Avy ao amin’ny faritra Analamanga avokoa no mivoaka any amin’ny RN1, RN2, RN3, RN4 ary ny RN7. Mikasika ny mponina dia saika hita ao aminy avokoa ireo karazana foko rehetra. Manana tany afaka mamokatra ihany koa ny Faritra Analamanga. Afaka mamoka-bary tsara ireo mponina ao aminy, ny katsaka, ny legioma, ny voankazo raha toraka izany ihany koa ireo karazan-java-maniry azo hanaovana fanafody. Mahatratra 457 446 ha ny tany azo volena ao aminy raha 142.276 ha monja no mbola voajary hatreto.
SEHA-PIHARIANA MARO
Tia miompy ihany koa ny mponina ao Analamanga. Anisan’ireny ny omby, ny akoho amam-borona, ny kisoa, ny ondry ary ny osy . Manana harena an-kibon’ny tany maro ihany koa izy toy ny vato quartz, ny volamena. Toraka izany ny karazana tanimanga, grès, calcaire, mica, …Tsy manana ranomasina ny Faritra Analamanga saingy manana karazana renirano sy lakan-drano betsaka kosa toy ny ao Mantasoa, ny ao Tsiazompaniry, ny reniranon’Ikopa, Sisaony…Manana karazana tendrombohitra sy toerana mahaliana maro ihany koa izy raha toraka izany ireo orinasam-panjakana marobe isan-tsokajiny izay mbola misy miasa ary misy efa tsy miasa intsony ny sasany. Marihina moa fa tantanana governora, lehiben’ny distrika, solombavambahoaka ary ny Ben’ny tanàna ny tanàna. Ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany sy ny jono no foto-piveloman’ny mponina voalohany. Manaraka azy ny asa eny anivon’ny orinasa sy ny asa tanana, raha mandeha ihany koa ny sehatry ny fizahantany, ny fitaterana, ny fandefasana sy fanondranana entana mankany ivelany. Ny resaka teknolojia raha tsy latsa-danja amin’ireo ny karazana asa misy. Mahasintona Malagasy maro Analamanga satria malaza fa mora ahitana vola isan’andro, ary dia tena misy tokoa aloha ny asa saingy maro no anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna.

Analamanga Velarana : 17 .448 km² Tany azo volena : 457 446 ha Distrika :13 Kaominina : 134 Mponina : 3 700 000 Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique