airtel

Toekarena

22-sept-2023

FIA 2023

Manome lanja ny tantsaha Malagasy ny STAR

Sample post image

Tanterahina nanomboka omaly Alakamisy 21 Septambra haharitra 4 andro eny amin’ny Forello Expo Tanjombato ilay hetsika

22-sept-2023

Foara iraisam-pirenena momba ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono karakarain’ny HazoVato Forello sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Trano eva manodidina ny 150 isa no mandray anjara amin’izany izay mampahafantatra ireo karazam-bokatra misy eto amintsika sy manasongadina ny asan’ireo tantsaha izay manomboka amin’ny fikarakarana ny tany hambolena mampahatongan’izy ireny eny am-pelatanan’ny mpanjifa. Ho an’ny orinasa Star manokana izay manana trano eva eny an-toerana dia nisy omaly ny fampahantarana ny mpanjifa ireo karazana akora ilaina amin’ny fanamboarana ireo zava-pisotro vokariny toy ny ozinina Malto. Anisan’ireny ny varim-bazaha izay avy amin’ireo tantsaha no fiaviany ary tohanan’izy ireo sy ampiany. Nampahafantarin’izy ireo ny mpanjifa omaly ihany koa ilay tetikasa kopakelatra izay maka sy mitsimpona ireo tavoahangy plastika miparitaka eny rehetra eny ho fiarovana ny nofon-tany. Tsiahivina moa fa samy manana ny maha-izy azy avokoa ireo trano eva mandray anjara eny an-toerana no sady manasongadina ny tena maha-Malagasy. Tonga nanokatra ny lanonana teny an-toerana ny Ministry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, Atoa Harifidy Ramilison.
Pati
Legende : Ireo ekipan’ny orinasa Star miaraka amin’ireo tantsaha mpiara-miasa aminy !
 

Dans la même rubrique