airtel

Toekarena

08-déc-2023

Firoboroboan’ny seha-pihariana tsy manara-penitra

Porofo iray mivaingana fa tena miha sahirana ny Malagasy

Sample post image

Tsy hoe rehefa ankatoy ny fety ihany, fa efa isan’andro mihitsy

08-déc-2023

no feno mpivarotra ny sisin-dalana sy ny lalana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina. Tsy misy fokontany iray eto, ka tsy ahitana mpivarotra amoron-dalana na mpifavotra mandehandeha mitondra na manosika zavatra amidy. Tsy hoe mampanankarena avokoa ireny varotra ireny fa asa ahazoana vola ivelomana isan’andro kosa anefa.Ao anatin’ny sehatra tsy manara-penitra na secteur informel, izay efa mahasehaka ny 95,1% n’ny asa eto Madagasikara izy ireny.Unité de production informelle na UPI moa no anarana teknika tena fiantso azy. Mitentina 2611 miliara ariary isan-taona ny vola miodina eo amin’ny sehatra tsy manara-penitra eto Antananarivo renivohitra izay manome sanda fanampiny mitentina 1422 miliara ariary isan-taona. Tsy hoe rehefa mandoa ilay « ticket » zaraina eny an-tsena iny dia efa manara-penitra, fa tsy maintsy voasoratra ara-panjakana, manana laharana statistika no sady mandoa hetra.Ny toerana ivarotana ihany koa dia misy fepetra tsy maintsy hajaina. Saingy mbola tsy tsy manarakay fenitra aloha izao no misongadina ary manamarina fa tena firenena mbola sahirana i Madagasikara, ary ny sahirana ny mponina maro an’isa ao aminy ; miady mafy mitady vola kely isan’ando mba ivelomana. Raha jerena isaky ny fihariana dia mitsinjara tahaka izao ireo asa tsy manara-penitra ireo : Fambolena (77%), Varotra (28%), indostria (28%), Sehatry ny fanorenana (6%), asa an-trano (6%). Manodidina ny 71 000 ka hatramin’ny 240 000 ariary isan’olona (miasa 41 ora isan-kerinandro), isam-bolana ny salan-karama ary mazava ho azy fa tsy misy vola miditra sy mivoaka any amin’ny banky io fa samy manana ny fomba hitahirizany azy. Raha jerena ny zava-nisy teto amin’ny firenena dia nitombo hatrany ny isan’ny olona miditra amin’ny UPI eto Madagasikara ; izany hoe mitombo no miasa eo anivon’ny sehatra tsy manara-penitra, izay tsy misy resaka fiahiana ara-tsosialy, mbola ankamantatra ny ho avy satria tsisy resaka hoe vola fisotroan-dronono fa tena miasa mandra-pahafaty. Famoronana asa sy fampitomboana ny vokatra no tsy maintsy atao miaraka amin’ny fanentanana sy fanabeazana ny olom-pirenena mba tsy ho tamana amin’ny sehatra tsy manara-penitra io satria anisan’ny mampihisatra ny fampandrosoana ny firenena ny firoboroboan’io ary maha sarotra ny fandaminana ny fiarahamonina.
RTT
 

Dans la même rubrique