airtel

Toekarena

07-déc-2023

Fizahantany eto Madagasikara

205 956 ny vahiny nitsidika tao anatin’ny 11 volana

Sample post image

205 956 ny mpizahatany vahiny tonga teto Magasikara tao anatin’ny 11 volan’ity taona 2023 ity,

07-déc-2023

raha ny tatitry ny Minisiteran’ny fizahantany. Na voasokajy ho taona fiverenan’ny fizahantany amin’ny laoniny sy mba efa miha manakaiky ny tamin’ny 2019 talohan’ny coronavirus aza, dia mbola betsaka ny ezaka mila hatao hanatsarana ny antontan’isa, toy ny lafiny fifandraisana an’habakabaka sy ny tambajotra ifamezivezena ato anatiny toy ny làlana, mba hisintonana ny mpizahatany. Hatreto, ny taona 2008 no maro mpizahatany indrindra tonga teto Madagasikara. Nahatratra 375 010 ny isan’ny mpizahatany vahiny tonga nitsidika an’i Madagasikara tamin’io taona io, ary mbola mijanona ho zava-bita tsara indrindra tao anatin’ny 15 taona. Tsara ny mampahatsiahy, fa 500 000 no tanjona ho an’ity 2023 ity, saingy mbola lavitry ny kitay aloha ny afo hatreto.
Toky R

 

Dans la même rubrique