airtel

Toekarena

22-août-2024

Harem-pirenena sarona tany ivelany

Andalam-piverenana ny boaderozy 640 taonina…

Sample post image

Mandeha ny seraseram-panjakana, fa noho ny ezaka ara-diplaomatika sy ny fifampiraharahana nahomby

22-août-2024

nanomboka tamin'ny taona 2023, dia eo an-dalam-piverenana ireo andramena 640 taonina tazonina any Tanzania. Tra-tehaka tany Kenya ny taona 2014 ireo kaontenera miisa 22 feno andramena, avy eto Madagasikara, raha saika hoentina any Chine. Nokasaina halefa tany Dubai ny desambra 2022, saingy tratran’ny manam-pahefana Tanzaniana. Nisy ny fifanarahana nataon’ny delegasiona malagasy ary nahazoana vokatra nahomby tany Tanzania, ka fandresena ho an’i Madagasikara izany vokatra izany, hoy ny Minisitry ny tontolo iainana. Amin’ny alalan’ny sambo no hanaovana ny fampodiana an-tanindrazana, ary misy ny fepetra fiarovana mba hiantohana ny fahamarinan’ny entana mandritra ny fitaterana. Novolavolaina ihany koa ny drafitry ny fampiasana ireo hazo tafaverina, anisan’izany ny mety hisian’ny lavanty, raha ny seraseram-panjakana. Zava-dehibe ny fampodiana ireo harenantsika tra-tehaka any ivelany, saingy toa lasa fampodiana an’ireny no anjara asan’ilay Minisitera mpiahy. Tahaka ny fahombiazana be fahenoana ny fahatafaverenan’ireny na ny ezaka fampodiana, toy ny resaka sokatra sy gidro, boaderozy izay ampanantenaina fa ho tafaverina, ny volamena izay efa nanaovana fampanantenana na ny tao Afrika Atsimo na ny atsy Kaomoro izay tsy nisy vokany,… Raha tena tsara aro sy tsara tantana ny harem-pirenentsika, dia tsy mila an’izany ezaka fampodiana izany akory. Indraindray ihany koa toa mbola atao fifamelezana na fitadiavana tombony ara-politika, raha tsy hilaza afatsy ity boaderozy 640 taonina ity izay ny volana mey 2014 no voalaza fa nahatrarana azy, saingy raha raisina amin’io daty io, dia tombanana ho efa notapahana sy nangonina tao anatin’ny vanim-potoanan’ny tetezamita, izay isan’ny tena niantombohan’ny trafikana boaderozy sy nampirongatra azy, fa ny daty no nolalaovina mba hifamatrarana ny rihitra. Efa nisy ny ampamoaka sy lisitra nataon’ny Profesora Zafy Albert fahavelony ary nohamafisin’ny Praiminisitra Jean Omer Beriziky taty aoriana fa tena nisy ve ny fanadihadiana na fanenjehana ?

Tsy ny boaderozy ihany, fa eo ihany koa ny volamena ! Ankoatra ny volamena 73kg mahery tany Afrika Atsimo, ny 48kg tatsy Kaomoro,… dia isan’ny nanaovana serasera tany aloha ihany koa ny 25,5kg tatsy Maorisy sarona tamin’ny andron’ny fitondrana HVM ka nanaovan’ity Fanjakana ity filazana fa tsy maintsy haverina ary nandraisana fanapahan-kevitra tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra fa mby aiza ny tohiny ? Nanao ahoana ihany koa ny famerenana ireo sarona tato anatin’ny 5 taona farany ? Ahoana ny momba ny fanondranana tsy ara-dalàna 4,5 taonina teo anelanelan’ny 2018-2021 izay ny 2,5 taonina dia tao anatin’ny 2021 avokoa araka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty ?
Toky R


 

Dans la même rubrique