amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany Rakotomalala Herindrainy Olivier. Miezaka mampisongadina fa manana ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany iraisam-pirenena i Madagasikara. Miezaka misintona ireo mpampiasa vola amin’ny alalan’ny fanehoana fa efa milamina sy nohatsaraina ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany eto. Ny fanavaozana farany, anisan'izany ny fankatoavana ny lalàna na « Code Minier » vaovao sy ny fitsipika momba azy, dia nambara fa manamarika dingana lehibe ho an'ny sehatra fanovàna. Ireo fanavaozana ireo dia mikendry ny hanamafy ny mangarahara sy ny fisintonana mpampiasa vola amin'ny sehatra, raha ny tatitra hatrany. Nohamafisiny fa miverina amin'ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara aorian'ny fankatoavana ireo fanavaozana ireo. Ny fandraisana anjara amin'ny Africa Down Under 2024 dia manamafy ny toeran'i Madagasikara ho toy ny mpiantsehatra lehibe amin'ny sehatra harena an-kibon’ny tany manerantany, raha ny seraseram-panjakana hatrany. Nambara fa fotoana tokana hahafahana manasongadina ny maha zava-dehibe ny harena eto Madagasikara io. Na izany aza, hafahafa hatrany ny endri-pitantanana asehon’ny Fanjakana Rajoelina. Toa zary lasa tompony mangatak’atiny sy tsy mahalala izay lohany sy vodiny amin’ny harena eto ny Malagasy, tsy ampianarina an’izany, tsy ampahafantarina firy,… hany ka zary lasa bizin’olom-bitsy hatrany hatrany aloha ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany eto. Na ny fihetsiky ny Fitondrana ao anatin’ity dia any Australie ity aza, dia toa avy amin’ny vazaha sy/na avy any ivelany isika Malagasy no mahazo vaovao antsipiriany momba ny firenentsika. Tamin'ny 24 Juillet 2024 teo dia neken'ny Filankevitry ny Minisitra ny « Plan d'assainissement du Cadastre Minier » na « Mining Cadastral Remedial Action Plan ». Tsy nisy serasera sy fampahafantarana feno natao teto mahakasika ny pitsopotsony momba io Plan d'assainissement na drafi-panadiovana io tamin’ny vahoaka Malagasy. Ny sary tany Perth Australie io anefa mampiseho fa nanazava ilay Plan d'assainissement ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany ary misy dingana maromaro ilay raha.
SAO MBA NY BIZINA INDRAY NO LASA ALOHA ?
Sanatria toa ny bizina no maha maika, mihakazakazaka mafy miantso vahiny hampiasa vola sy hitrandraka ny harena an-kibon’ny tany eto, fa ny fangaraharana sy ny fampahalalana ny Malagasy ny hareny toa tsy misy na hiviny kely. Tsy ny fiantsoana vahiny sy mpampiasa vola no ratsy, ary samy manaiky ny rehetra fa raha misy orinasa lehibe toa an’Ambatovy sy QMM maromaro eto dia hisy akony ara-toekerana mafonja kokoa, saingy ny endrika tsy fangaraharahana sy fanaovana tompon-trano mihono ny Malagasy no olana. Sanatria mbola mitohy ny fomba fanao tahaka ny nataon-dRtoa Romy Andrianarisoa izay nohelohina sy nogadrain’ny Fanjakana Britanika rehefa niketrika kolikoly goavana tamin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ? Sao ny bizina avo lenta hahazoana tombotsoa na « prime » samihafa indray no mahamaika ? Manginy fotsiny ireo afera maloto samihafa satria efa sary nitranga teto ohatra ny hoe : governora mihitsy no nampanofa ny fitaovam-panjakana sy nitsikombakomba tamin’ny sinoa nitrandrahaka volamena tsy ara-dalàna!
Toky R
Légende : Ny Minisitry ny harena an-kibon’ny tany mitarika ny delegasionina miatrika ny Africa Down Under 2024 any Australie