Foara iraisam-pirenena momba ny fizahantany, fa hanangana efitrano na « chambres » miisa 11 500 sy Hotely kintana 5 hoentina mampiroborobo ny fizahantany, ankoatra ny filazana fa apetraka ao anatin’ny tapa-bolana ny vahaolana ho an’ny Madagascar Airlines. Efa ho tapitra ilay tapa-bolana ka dia asa hoe : inona ilay vahaolana ? Ny fiantsoana ny Air Maritius sy ny Airlink hitrandraka ny sidina eto sy iraisam-pirenena rehefa nopotehina ny kaompania Malagasy ? Taorian’iny fanambaran’ny Filoha iny, nivoaka ny fampahalalam-baovao sy fampahafantarana ataon’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fandraisam-bahiny vahiny. Namoaka ny Marriott International, mpisehatra maneran-tany eo amin'ny tontolon’ny ny fandraisam-bahiny, fa hanokatra hotely roa manana efitrano mihoatra ny 200 eto Antananarivo, miaraka amin'ny vondrona Luceo (SIRR), izay nambara fa mariky ny dingana lehibe eo amin'ny sehatry ny fizahan-tany ara-barotra sy ara-pialamboly eto Antananarivo, ary mandray anjara betsaka amin'ny fanatsarana ny toekarena sy sosialy amin'ny alalan'ny famoronana asa sy ny famindrana fahaiza-manao. Ireo efitrano vaovao dia hapetraka amin'ny hotely, izay toerana stratejika eo amin'ny faritra manintona mpizahatany sy ara-toekarena. Ny trano fandraisam-bahiny an'ny vondrona Luceo dia hanome lanja ny tolotra tsara indrindra, mifanaraka amin'ny fenitra iraisam-pirenena, araka ny andrasana amin'ny hotely entin'ny marika Mariott International, raha ny voalazan’ity serasera ity. Nanamafy ny Minisitry ny Fizahantany sy ny asa tànana, Joël Randriamandranto, fa ny fahatongavan'ny vondrona Mariott International dia mampiseho fa tsy azo ihodivirana ny fahatokisan'ny mpampiasa vola vahiny amin'ny vinavina fampandrosoana tsy mampino azon'ny Nosy Lehibe atolotra, hoy ny fampahafantarana. Naneho ny fanohanany tsy misy fepetra an'ity tetikasa ity izay mariky ny fandrosoana lehibe ho an'ny sehatry ny fizahan-tany ary hametraka an'i Madagasikara ho anisan'ireo toerana tsy azo ihodivirana ara-pizahantany. Miezaka maneho fa misokatra amin’ny mpampiasa vola ara-pizahantany izany ny Fitondrana, ary tsy tetikasam-panjakana velively ilay hotely kintana 5, fa an’ny tsy miankina, raha zohiana amin’ity. Tetikasa mirona kokoa any amin’ny zavatra avo lenta na « luxe » ho an’ny sokajin’olona manan-katao. Tena hipaka amin’ny toekarena Malagasy ve sa haingitraingitra ho an’ny manan-katao sy bizina manome vahana ny vahiny ? Mbola resaka hafa ny hoe : manao ahoana ny fandriampahalemana, ny kalitaon’ny làlana, ny kaompaniam-pitaterana an’habakabaka,…
Toky R