airtel

Toekarena

03-oct-2024

Indostria eto Madagasikara

Betsaka no mety hikatona noho ny delestazy

Sample post image

Mizaka ny tsy eran’ny aina eo anatrehan’ny krizin’ny herinaratra eto Madagasikara amin’izao

03-oct-2024

fotoana izao ny tontolon’ny indostria. Ahiana hiteraka fiantoana ara-teknika amin’ny orinasa sasany ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny, raha ny resaka nataon’ny Filohan’ny Sendikan’ny Indostria Malagasy Atoa Tiana Rasamimanana tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray omaly. Henjana ny fividianana solika, ary maro amin’ireo orinasa no tsy manana fahafahana mividy milina mpihary herinaratra manokana.Mangataka ny hanajan’ny Jirama ny fandaharam-potoana hahatapahan’ny jiro havoakany ny sendikan’ny Indostria satria miainga amin’iny no handaminana ny fampiasana ny mpiasa sy ny famokarana. Nandefa taratasy any amin’ny Minisitry ny indostria ihany koa, ka mangataka ny tsy handoavana haba amin’ny fividianana milina mpihary herinaratra. Manampy ny fampiakarana ny saran’ny herinaratra, saingy ampiharina tsikelikely ao anatin’ny 3 taona izy ireo mba tsy hiteraka fipoahana be any saran’ny famokarana sy vidin’ny entana vokariny. Hihaona amin’ny Vondron’ny mpamatsy vola ny SIM anio hiezaka handresy lahatra amin’ny famatsiana ara-bola ny Jirama hahafahana manarina azy. Ny volana aogositra no nanaovana serasera nipoapoaka tany Vienne Autriche fa tompondakan’ny indostria ny Fitondrana sy ny Filoha Rajoelina ny aogositra 2022 ka indostria alefa amin’ny delestazy ? Mbola tsy tafarina ny takaitran’ny coronavirus, dia mandravarava ny delestazy. Tsy ny sehatry ny indostria ihany, fa ny seha-pihariana rehetra mampiasa herinaratra no tapitra mikoroso fahana, ary betsaka no efa maty. Potika ny fihariana samihafa, betsaka no very asa,… fa tsy rototra firy ny mpitondra. Resaka ambony latabatra sy serasera no betsaka.
Toky R

Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique