airtel

Toekarena

26-août-2024

MADAGASIKARA

Mila mamokatra raha tsy te ho bokan-trosa manandevo

Sample post image

Nampivarahontsana ny nandre ny tarehimarika ny faran'ny herinandro teo fa mila vola hatrany amin'ny 25 000 miliara ariary

26-août-2024

na 5,8 miliara dolara ny fanjakana malagasy mba ahafahany miasa araka ny tokony ho izy ho an'ny fe-potoana 2024-2026.
MITROSA, MITROSA HATRANY
Io no nambaran'ny fanadihadiana avy amin'ny " Stratégie de la dette à moyen-terme" navoakan'ny tahirimbolam-panjakana. Mazava ho azy fa tsy mbola am-pelatanana io vola io, fa mbola hotrosaina, araka ny anarany moa. Zavatra tsy dia mahagaga ihany rehefa fantatra fa matetika alefa any amina sehatra tsy dia haingana loatra amin'ny famokarana otrikarena ny fandaniana volabe ataon'ny firenena malagasy . Eo ohatra ny hoe 77 tapitrisa dolara nanavaozana kianja, avy eo tsy afaka mandray lalao iraisam-pirenena akory. 159; tapitrisa euro nanamboarana teleferika izay mety amin'ny 2025 vao hiasa ary afaka 10 taona aorian'io vao mety ho tafaverina ny vola nananganana azy, raha tsara tantana ilay tetikasa .
TSY ARAKARAKY NY AMBARA ILAY ATAO
Miresaka fahavitan-tena ara-tsakafo ny filoham-pirenena kanefa anisan'ireo kely tetibola iasana ny minisiteran'ny fambolena, dia io fa nanangana rafitra iray vaovao indray eo ambany fiahian'ny fiadidiana ny repoblika, rafitra hampitombo ny vola lany amin'ny fampandehanan-draharaha fa moa ve hahatratra ilay tanjona momba ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ao anatin'ny firy taona ?
MITENY NY TAREHIMARIKA
Ankoatr'izay dia mbola betsaka noho ny entana aondrana ny entana afaran'i Madagasikara, izany hoe ambony ny famoahana tahirina vola vahiny noho ny fampidirana azy. Misy akony amin'ny toekarena sy ny fiainam-bahoaka izany; ho an'ny taoma 2023 izao ohatra dia 10,5% ny tahan'ny sondro-bidim-piainana raha toa ka 4,0% ny fitombon'ny harikarena faobe. Rehefa ambanin'ny fitomboan'ny harinkarena ny tahan'ny fisondrotan'ny vidim-piainana no atao hoe salama ny toekarena. Anisan'ny nahasempotra ny fihariana teto ihany koa ny fisondrotan'ny vidin-tsolika efa ho 43% ny volana jolay 2022. Nikorapaka nanoloana ny krizy ny banky foiben'i Madagasikara izay tsy maintsy miaro ny sandan'ny ariary ka dia nampiakatra ho 9% ny " taux de dépôt" izay 8,5% teo aloha , lasa 11% ihany koa ny "Taux de prêt marginal" raha 10,3% izany teo aloha. Nifanindran-dalana tamin'izany ny volana mey 2023 dia nihena ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina. 250 000 ariary lasa 238 000 ariary, tsy mahatratra 50 euros akory. Misy akony ratsy any ain'ny ati-vilanin'ny isan-tokantrano io. Ny taona 2021 ka hatramin'izao 2024 izao dia ratsiratsy toerana ny ariary raha mitaha amin'ny euro sy dolara izay vola ampiasaina betsaka indrindra eo amin'ny tsena iraisam-pirenena.
MILA MIASA FA TSY MANANTENA FANAMPIANA LAVA
Tena manome vola an-jatony tapitrisa dolara an'i Madagasikara nitazonana ny vola ariary tsy hivaralila loatra ny tahirim-bola iraisam-pirenena na FMI sy ny banky iraisam-pirenena. Ary nisy fotoana tafiakatra ambony ihany koa ny tahan'ny famatsiam-bola avy any ivelany voarain'i Madagasikara saingy tsy ampy nanetsenana ny lavaka ben'ny fatiantoky ny fanjakana malagasy izany. 4,7% n'ny otrikarena anatina (PIB) eo ho eo ny tahan'ny fanampiana ara-bola avy any ivelany; 5,5% n'ny PIB anefa ny faitantoka ara-bolan'i Madagasikara. Nitondra rivotra kely mba nanome aina ny toekarena ny fitomboan'ny mpizahantany tonga teto (132 000) ny taona 2022 niampy ny fitomboan'ny fanondranana harena an-kibon'ny tany (Ambatovy) izay niabo 0,8% isan-taona saingy tena mbola tsy ampy. Tsy maintsy mamokatra sy mamorona asa i Madagasikara raha te ho velona tsy midi-trosa be izay zioga ho an'ny taranaka faramandimby hatrany amin'ny 30 taona ho avy raha tohizana foana. Famokarana sakafo, fananganana ozinina hanodina ireo akora vokarina eto, fanatsarana ireo fotodrafitrasa mba hanintona .mpizahantany, fametrahana fandriampahalemana, fanomezana toky ireo mpandraharaha mba hampitomboana ny fampiasam-bola. Ary adino ny ezaka tena goavana amin'ny tontolon'ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Izany izao no tena laharampahamehana fa tsy teleferika Anosy Soarano Ankorondrano Ambatobe.
RTT

 

Dans la même rubrique