airtel

Toekarena

16-août-2024

Safira an’i Madagasikara

Harem-be tsy mety voalamin’ny fanjakana ny fitrandrahana azy

Sample post image

40% n’ny safira maneran-tany dia miainga avy any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.

16-août-2024

Maro ny Malagasy nirohotra nankany atsimo satria manantena vola be sy fiainana mety kokoa. Navela hatramin’ny asa fambolena sy fiompiana.
FITRANDRAHANA GABORARAKA
Hatramin’ny 40 000 ny olona miasa mitrandraka safira any atsimo, amina toerana iray 50 km miala an’Ilakaka. Tena tsizarizary ny fitaovana sy ny fomba fiasa.Mety hampidi-doza ny fitrandrahana noho ireo lavaka sy lalana ambanin’ny tany tsy manaraka ny fenitra. Navelan’ny fanjakana malagasy ho amin’izao ny fitrandrahana dia samy manao izay tiany ao.Etsy ankilan’izay koa anefa harena be no mivoaka avy ao saingy toa tsy mahita tombony mivantana amin’izany ny firenena. Kely dia kely ny vola azon’ireo mpitrandraka malagasy manao ny asa tena mafy, misy mandavaka hatrany amin’ny 6, 10 misy hatrany amin’ny 15 metatra aza. Mbola manamboatra lalana misampantsampana any ambanin’ny tany, aro aina tena faran’izay maivana ka raha saaria misy loza dia fasana vita ho azy ilay toerana noheverina fa hampanankarena.
ALEFA ANY SRI LANKA SY THAILANDE
Teratany vahiny avy any Sri Lanka sy Thaïlande no mandray ny vao ao Ilakaka satria any amin’ireo firenena ireo no diovina sy omena endrika tsara sy manintona kokoa ireto vato sarobidy ireto.10 avo heny ny vidiny tonga any rehefa voadio . Samy mahafantatra ny rehetra fa tsara indrindra eto ambon’ny tany ny safira avy eto Madagasikara saingy tsy hita taratra any amin’ny fiainan’ny mponina, eny fa na dia ireo monina manodidinany teoram-pitrandrahana aza ny vokatr’izany. I Madagasikara aza miha mahantra isan-taona. ENCADRE Tarehimarika tsara ho fantatra momba ny safira avy aty Madagasikara.Voadio any ivelany ary amidy any ivelany (www.bonnot-paris.com) Saphir Bleu : 13 722 500 Ar Saphir Rose : 34 306 250 Ar Saphir Teal : 29 191 500 Ar Saphir Pêche : 6 611 750 Ar Vidin’ny vato safira kelikely iray any am-potony : 24 950 Ar ny 1 grama
(Sary nindramina)
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique