airtel

Toekarena

06-juin-2024

Salon international des acteurs économiques

Orinasa ODOF dimy mampiranty ny vokany eny Andohatapenaka

Sample post image

Mampahafantatra ny vokatra ODOF eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka,

06-juin-2024

mandritra ny SIAE na ny Salon International des Acteurs Economiques ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra. Mandray anjara amin’ny hetsika ka mampiranty ny vokany, eo amin’ny trano evan’ny ministera, ny orinasa Ampalia manamboatra cidre avy amin’ny paoma any Antsirabe I, ny Huilerie d’Anjozorobe mamokatra menaka avy amin’ny voanjo sy soja, ny ODOF manodina tantely ILOO Project any Manjakandriana, ny Soa sy fampivoarana ho an’ny Malagasy izay manodina ronono ho fromazy any Moramanga ary ny Bricka Chips manao chips amin’ny akondro any Brickaville. Irariana ny hifampizaran’izy ireo mandritra izao SIAE izao ny lalan-tsaina nentina amin’ny famokarana anatiny, amin’ny alalan’ny fananganana ozinina mamokatra eny ifotony ao anatin’ny Tetik’asa ODOF», hoy ny avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra nandritra ny lahanteny fanokafana nataony omaly Alarobia 05 Jona. Haharitra efatra andro ny SIAE andiany faha-3.
Pati
Legende : Nandritra ny fitsidihan’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Ministera ireo trano eva !
 

Dans la même rubrique