Tena mila mpitantana mahay sy mahafehy ilay Sehatra ny Jirama, hoy Rtoa Marie-Chantal Uwanyiligira Solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena izay efa tapitra amin’ity volana jona ity ny fe-potoana iasany. Ity farany izay nahita ny fahorian’ny Malagasy amin’ny resaka rano sy herinaratra, ary rehefa halalinina, dia maneho izany izy fa tsy mahay mitantana ny mpitondra sy ireo tompon’andraikitra matoa izao no miseho. Efa navoaka ny volana may lasa teo ny dingana amin’ny antso fitadiavana izay ho Tale Jeneralin’ny Jirama, ka niara-nisalahy tamin’izany ny Governemanta, Filankevi-pitantanan’ny Jirama, ary ny Banky Iraisam-pirenena. Ilaina ny fitadiavana olona izay tena isan’ny iraka lehibe ny hamerina ny fahasalamana ara-bola ho an’ny Jirama sy hanatratra ny tanjon’ny PEM amin’ny lafiny fampitomboana ny fisitrahana herinaratra. Tena afaka ny hahavelon-tena sy hahazo tombony Jirama, hoy hatrany I Marie-Chantal Uwanyiligira. Izay raha ny nambarany no nanasana ny tompon’andraikitra ambony teo anivon’io orinasa Malagasy io vao tsy ela nijery ny fahaiza-manaon’ny Kaompania mpamokatra herinaratra any Rwanda. Notsiahiviny fa nahatratra 50% ny fatiantoky ny orinasam-panjakana mpamokatra herinaratra tao an-toerana, ary nahatratra 20/24ora ny delestazy tany amin’ny taona 2017, izany hoe: nandalo fahasarotana lavitra noho ny Jirama, saingy mahazo tombony izy ankehitriny. Nofaritan’ny Banky Iraisam-pirenena tao amin’ny CPF (Cadre de Partenariat Pays) 2023-2027 iarahany amin’I Madagasikara moa, fat any amin’ny 2009 dia nanana fahamarinan-toerana ara-bola ny Jirama, kanefa niha nitotongana hatrany hatrany hatramin’izao. Ny taona 2022, dia nahatratra 150 tapitrisa dolara na 604 miliara Ar ny fatiantoka. Isan’ny antony ny varotra fatiantoka 0,11 dolara/Kwh¸1900 GWh. Mahatratra 28% ny fahaverezana ara-teknika. Mba hitazonana ny fahamarinan-toerana ara-bola, mila 100 tapitrisa dolara isan-taona eo ho eo avy amin’ny governemanta ny Jirama, raha mbola amin’io endriny ankehitriny io. Isan’ny soritan’ny Banky iraizam-pirenena ao anatin’ny CPF noho izany ny fanavaozana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara, toy ny fanafainganana ny fisitrahana herinaratra eny ambanivohitra, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny fitrandrahana ny tambajotra, tambajotra mandinika, ary ny vahaolana ivelan’ny tambajotra. Manamafy ny tokony hidirana amin’ny fanavaozana ara-angovo ka hampihenana ny fampiasana solika na «combustibles fossiles » izay hafarana sy tena be mason-karena be sady manimba tontolo iainana ihany koa io rafitry ny Bretton Woods io. Ilaina ihany koa ny fanavaozanaeo amin’ny Jirama sy ny sehatra tsy miankina, miampy ny fanentanana ireo mpandraharaha hanamafy ny famatsiana herinaratra ho an’ny eny ambanivohitra.
Toky R
Misy amin'ireo mpikambana ao amin'ny governemanta any Centre Afrique no mingitrika