airtel

Toekarena

04-déc-2023

TETIKASA ODOF

Sady nanampy ny tantsaha no nanome asa ny teknisiana

Sample post image

Maherin’ny 40 isa ankehitriny ireo distrika eto Madagasikara misitraka ny tetikasa ODOF

04-déc-2023

One District One Factory) na Taniketsa Indostrialy, rehefa nosantarina tao Bongolava tany amin’ny tapatapaky ny volana oktobra 2021, ny fanodinana voanjo ho menaka, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny Ministeran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana. Hatramin’izay dia milatsaka am-potony fotsiny eny ny voankazo toy ny manga, lodsia, akondro... Misy koa ny vokatra simba sy very fotsiny satria tsy misy fitaovana hitehirizana azy, na hamidy mora eo an-toerana eo kanefa tokony hampidi-bola isa-tanàna. Simba fotsiny ny ronono fa tsy misy fitaovana fampangatsiahana. Misy tanàna maro mamboly voanjo saingy tsy misy fitaovana hanodinana azy ho menaka. Nanova sy nanatsara ny fiainan’ny mponina ny nametrahana ity taniketsa indostrialy na fandraharahana isa-tanàna tsy ilàna diplaoma be ity, hoy ny minisitra Edgard Razafindravahy. Tsapa ho mazoto mamokatra izy ireo satria azony antoka fa misy mandray ny vokany ary misy vidiny ny hatsembohany. Tanjon’ny tetikasa rahateo ny hananan'ny isa-tanàna tsirairay ny vokatra hivelomany mivantana. Ohatra: ny tanàna iray mamokatra menaka manitra, ny tanàna sasany mamokatra voanjo na legioma, na voninkazo ...Miha matihanina kokoa ny famokarana, satria ny vokatra vokarin'ny isa-tanàna no mampiavaka azy. Hiaro ny tanànany amin'ny famokarana hataony ny mponina, mivondrona anaty koperativa, mifanara-maso, manao tanamaro iarovana amin'ny mety hisian'ny tsy fandriampahalemana. Raisiny an-tànana ny hoaviny araka ny làlan-tsain'ny Fanorenana ifotony maharesy lahatra ny maro ankehitriny. Efa maka toerana eny amin’ireo toeram-pivarotana lehibe izao ohatra ny ketchup azo avy amin’ny voatabia any Ambatondrazaka. Nahazo aza ny tanora teknisianina amin’ny fampiodinana ny ozinina sy fikojana ny milina. Nampandroso ny Firenena lehibe tahaka an'i Chine io fandraharahana isa-tanàna io. Nanana tetikasa OVOP (One Village, One Product) ihany koa ry zareo Japoney ary nampakatra ny tahan'ny harinkareny satria tonga mitsidika any hatramin'ny mpizahatany avy any ivelany.
Pati Legende : Ny Ministry ny Varotra niaraka tamin’ireo fitaovana natolony !
 

Dans la même rubrique