airtel

Toekarena

19-déc-2023

Tsy fahaiza-mitantanana

Vizana tanteraka ny vola Malagasy

Sample post image

Mihoatra ny 5000 ariary ny euro iray. Sao dia tonga ny fotoana hanomezana

19-déc-2023

lanja ny fampiroboroboana ny asa anatiny ry fanjakana ? Ajanony ireo asa mandany vola nefa tapi-maso fotsiny. Hainareo tsara ny miserasera ka mba seraserao ny olona hamokatra, hisehatra amin'ny tsena iraisam-pirenena, hisafidy kokoa ny vita eto an-toerana noho ireo vokatra afarana.", hoy ny fanehoan-kevitr’i Tahina Razafinjoelina omaly manoloana fitotonganan’ny sandam-bola Malagasy. Ho an’ny omaly, efa tafakatra 5024,50Ar ny sandan’ny 1Euro, izay midika fa miha rendrika ny vola Ariary. Marina fa mety mamoaka vola vahiny betsaka isika ao anatin’izao vanim-potoana fety izao, fa amin’ny lafiny iray dia mariky ny fijotsoana ara-toekarena io.
MILA MAMOKATRA FA TSY MANDANY LAVA
Antony ny tsy fisian’ny politika ara-toekarena mazava, zary firenena mpanjifa ny avy ivelany isika fa tsy mpamokatra, mamoaka vola vahiny fa tsy mampiditra, tsy mamorona harena fa mandany,… Mila mamokatra sy manjifa ny vita ato anatiny isika, ary mila mivelatra amin’ny tsena iraisam-pirenena raha te handroso. Tsy vahaolana ny politikan’ny kizarazara sy ny kisehoseho fa tena ny fihariana no mila hatsaraina amin’ny lafiny rehetra. Raha ny tato anatin’ny 3 taona fotsiny, teo amin’ny 4200Ar ny sandan’ny 1euro, ary io efa tafakatra 5000Ar io ankehitriny. Talohan’ny 2009, nisian’ny fanonganam-panjakana dia teo amin’ny 2000Ar io, izany hoe : tsy nitsahatra nitotongana, ka isan’ny antony ny tsy fahaiza-mitantana firenena na inona na inona lazaina. Vao miakatra sy tsy voafehy ny sandam-bola dia sondro-bidim-piainana na « inflation » no dikan’izay, ary mbola ambana hafa ny mety hiakaran’ny vidin-tsolika amin’io fiandohan’ny taona 2024 io, kanefa tsy maintsy amin’ny alalan’ny vola vahiny no hividianana azy.
TSY MANAM-BAHAOLANA, MBOLA MANADIO TENA IHANY
Tsy manam-bahaolana ny mpitondra matoa tsy nety voafehy io fa vao mainka niharatsy, tsy manam-piniavana, tsy manaiky ny lesoka, tsy vonona hikaro-bahaolana,… fa mbola fanadiovan-tena aza no mirarakopana. Ny volana jolay 2023 teo, niezaka nanadio tena Atoa Andry Rajoelina, fa i Madagasikara no tsy nisy taham-piakaran’ny vidim-piainana firy, ny any Soudan 138% fa I Madagasikara 8%,… Tena izay ve no marina ? Raha mandray ohatra mivaingana hoe : ohatrinona ny menaka 1L tany amin’ny 5 taona lasa dia ohatrinona izy amin’izao ? Moa tsy 5000Ar no lasa any amin’ny 12000Ar ? Momba ny sandam-bola, « nahay nitantana isika fa raha tsy nahay nitantana isika efa 10 000Ar ny euro iray, fa tsy 5000Ar ! Mba manana “experience” ihany aho nitantana an'ity firenena ity sy mbola hitantana ity firenena ity”, hoy Atoa Andry Rajoelina nanandra-tena. Izany ve tsy fanesoana ny Malagasy eo anatrehan’izao efa filetehan’ny firenena ao anatin’ny fahantrana lalina izao kanefa mbola sahy milaza fa mahay mitantana ? Rahoviana vao hanaiky ny tsy fahombiazana ? Amin’ny fomba ahoana no hampiakarana ny fari-piainan’ny Malagasy eo anatrehan’izao tsy fananana politika ara-toekarena mahomby izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-mars-2025

Tongotra mby an-dakana ny an’ny “Groupement des femmes entrepreneurs de Madagascar”

Card image cap